Asabotsy 12 Oktobra 2024
Fa ny mitoetran’andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany. Isaia 32:8
Ny fiteny hoe „Izay andriana, tsy maintsy manana ny toetran’andriana” dia midika fa izay misitraka tombontsoa satria andriana dia tsy maintsy mitondra tena mendrika izany toerany izany. Izany koa no tsipihin’ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony : ny olona mitoetran’andriana dia manao zavatra mendrika ny maha andriana azy ; izany hoe ireo tanjony, ireo antony manosika azy hanao zavatra, ireo tetikasany dia mifanaraka amin’ny laharam-piandrianany, ary toy izany koa ny fomba fihetsiny.
Ny Tompo Jesosy dia aseho ao amina fanoharana iray ho „andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina” (Lioka 19:12). Teo amin’ny fiainany tetỳ an-tany, voamariky ny fanetrentena, ny fahantrana sy ny fanaovan’ireo mahery teto amin’izao tontolo izao tsinontsinona Azy, dia lavorary Izy teo amin’ireo tanjony, ireo asany, ireo teniny… Raha Azy isika, dia omeny „anaram-piandrianana”, tsy hoe satria mendrika anefa, fa noho ny fahasoavany irery ihany : „Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka, ary manandratra ny mahantra… mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ny mpanapaka” (1 Samoela 2:8).
Aza hadinointsika na oviana na oviana fa izay mpino nateraka indray dia nanjary zanak’Andriamanitra, mpiara-mandova amin’i Kristy, mponin’ny lanitra, na eo aza ireo fihenan’ny heriny. Izany dia toerana avo, tokony hanana vokany hita maso.
Ry kristiana, ny fiainantsika andavanandro dia tokony ho fijoroana ho vavolombelon’io Andriandahy io, Izay Ohatra sy Loha tokony halaintsika tahaka. Izao no vinavinam-piainan’ny kristiana : mitondra tena mendrika ny Filazantsara sy mendrika ny Tompontsika, mba hanao izay mahafinaritra Azy amin’ny zavatra rehetra (Filipiana 1:27 ; Kolosiana 1:10).
Eny, ny „maha andriana” antsika dia mitaky toetran’andriana amintsika !