Alahady 13 Oktobra 2024
Ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko. Jeremia 15:16
Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:162
Nisy lehilahy 95 taona iray maty, ary nampanantsoina aho hitondra Teny tao amin’ny toerana fikarakarana olona antitra nisy azy. Araka ny faniriany dia tokony hamaky lahatsoratra telo nosafidiny tao amin’ny Baiboly aho, amin’ny andro handevenana azy. Teo avokoa ny mpikarakara tao amin’ilay toeram-pitaizana, niaraka tamina olona antitra maro nonina tao, samy nihetsi-po fatratra.
Ny teny voalohany : „Izao no mampionona ahy amin’ny fahoriako ; ny teninao no mamelona ahy” (Salamo 119:50).
Io lehilahy io dia roapolo taona mahery tany amina toeram-pitsaboana manokana ho an’olona sembana, talohan’ny nametrahana azy tao amina toerana fikarakarana beantitra. Io tenin’ny Soratra Masina io dia famintinana izany vanimpotoanan’ny fiainany izany. Ny Baiboly, ho an’izay mandray azy araka ny maha Tenin’Andriamanitra azy, dia voa afafy mitondra aina. Io aina avy amin’Andriamanitra io, ain’i Jesosy, ny aina maharitra mandrakizay, dia mampahery isanandro izay mandray azy.
Ny teny faharoa : „Nino aho, ka dia niteny” (2 Korintiana 4:13).
Rehefa tafapetraka tao amin’ny efitranony vaovao izy dia nijanona tao nandritra ny herintaona maninjitra, tsy nanana fifandraisana na tamin’iza na tamin’iza tatỳ ivelany. Kanjo, indray andro, dia nivoaka izy ary niresaka ny finoany sy ny hasambarany mino ny Tompo Jesosy tamin’ireo rehetra nifanena taminy. Takany fa Andriamanitra dia miantso ny mpino hijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjiny.
Ny teny fahatelo : „Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:8).
Tian’ity namantsika ity, amin’ny andro andevenana azy, ny hanao fara fijoroana ho vavolombelona amin’ireo rehetra nahafantatra azy, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra.