Alatsinainy 14 Oktobra 2024
Tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsy finoana izy (Abrahama), fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Romana 4:20-21
Jesosy no loharanon-kerin’ny ray aman-dreny kristiana amin’izao fotoana izao, toy ny fahiny. Ireo tantara hitantsika nandritra ny herinandro maromaro teo aloha dia nampiseho tamintsika ny fitiavany, ny fiahiany ireo ray aman-dreny ireo, ary ny fomba amaliany ny finoan’izy ireo. Ho famintinana, dia andao mbola hanamarika ihany hoe :
— Jesosy dia tsy mila antsika, ary mikarakara ny zanatsika na aiza na aiza misy azy ireo, na dia lavitry ny masontsika aza, toy ny tamin’ny zanak’ilay tandapan’i Heroda (Jaona 4:46-54). Miasa amin’ny fotoanany Izy, ary faly isika mahita ny vokatr’izany atỳ aoriana !
— Ny Tompo dia mahafantatra manokana ny zanatsika, mbamin’ny tena toetrany ara-panahy. Miasa araka izay tandrify io zanatsika io Izy !
— Raha mandeha ny fotoana, nefa toa tsy miraika amin’ny fitalahoantsika mafy ny Tompo, dia aza miraviravy tanana isika. Mitsapa ny finoantsika Izy. Ndao hanana faharetana, toy ilay vehivavy kananita (Matio 15:21-28). Ndao hitoky aminy, hanantena „na dia efa tsy nisy nanantenana aza” (Romana 4:18).
— Rehefa mivavaka ho an’ny zanatsika isika, dia aoka hahatsiaro fa tsy mendrika na ny famonjena azy ireo na ny fitondrantenany tsara. Ray aman-dreny iza no afaka hihambo hoe satria nitaiza tsara ny zanany dia tsy maintsy omen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay izy ireo ? Ndao hiaiky am-panetrentena ny fahalementsika amin’ny lafiny maro. Ndao hisisika tsy mitsahatra, ary hiantehitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany, Izay faly mitahy ireo ankohonan’ny olony.
(tapitra)