Talata 15 Oktobra 2024

Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza, tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ny làlany ary hitandrina ny didiny… mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:15-16

 

Tsipika mampisaraka ny rano

Raha mandeha amin’ny arabe migodanan’i Mulhouse mankany Belfort ianao, dia hahita takelaby manondro hoe : „Tsipika mampisaraka ny rano”. Eo dia toerana isarahan’ny ranon’orana. Raha mikoriana mianavaratra izy, dia hitody any amin’ny ranomasina Avaratra amin’ny alalan’ny ony Rhin ; ary raha mikoriana mianatsimo, dia ho tonga any amin’ny ranomasina Mediteranea amin’ny alalan’ny ony Doubs, Saône ary Rhône. Tsy dia misy dikany loatra ny hoe tetevan-drano roa elanelanina metratra vitsy monja, nefa miafara any amina ranomasina roa samy hafa. Fa inty kosa, toejavatra mendrika hoheverina be lavitra : misy tsipika iray mampisaraka ny olombelona ! Zotra roa samy hafa, fitodiana roa mifanalavitra tanteraka.

Io ohatra io dia mampiseho amintsika fa mety misy olona roa mifanila mandritra ny fiainany manontolo, nefa ho any amina fitodiana mifanohitra tanteraka rehefa mandao izao tany izao. Misy safidy napetraka teo anoloany, fara fahakeliny indray mandeha, nandrenesany na namakiany ny teny milaza ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy : ny iray nanaiky io vaovao mahafaly io, ny faharoa kosa nandà. Noho izany dia nandray zotra roa samy hafa ny fiainan’izy ireo.

Izay mihaino sy manaiky hotarihin’ny fitiavan’Andriamanitra dia mizotra ho amin’ny lalana tsara, lalana mankany an-danitra.

Izay mandà io hafatra mifono famindrampo sy famelan-keloka io kosa, ary manidy ny fony amin’Andriamanitra, dia manaiky ho voataona tsy hiraharaha, ka hitotongana any amina toerana mampivarahontsana tsy azo ihodivirana, any amin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe „fahafatesana faharoa”, dia ny helo.

Eo amin’ny tehezan-kavoana tsara ve ianao ? Mizotra mankany amin’ny fitodiana tsara ve ?