Alarobia 16 Oktobra 2024

Fa izay itoeran’ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo. Lioka 12:34

Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo. Lioka 16:13

 

Poketra sy Baiboly

Nandondòna teo am-baravarako ny mpiara-monina amiko iray : „Hitanao ve fa vaky ny fitaratra iray amin’ny fiaranao ?” Maika be aho nivoaka. Feno vakim-pitaraka etsy sy eroa. Nisy mpangalatra nandalo teo. Inona no zavatra mety nalainy ? Hay ! zavatra roa no very : ny poketrako sy ny Baiboliko ! Nisy nandondòna indray tao am-baravarana. Mpandalo iray no namerina ny Baiboliko. Hitany lavidavitra kely teo an-tsisin-dalana ilay izy, misy ny anarako sy adiresiko. Faly aho fa naverina tamiko ny Baiboliko ; nefa mazava ho azy : tsy ho hitako intsony ny poketrako. Noheverin’ilay mpangalatra hoe poketra ny Baiboliko… Rehefa tonga saina izy fa voafitaka, dia nariany ilay Baiboly, saingy notazoniny ny vola. Nanao ny safidiny izy.

Io safidy io dia mampiavaka ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Izao taranaka materialista (izany hoe mirona fatratra amin’ny ; ny fitiavan-karena) iarahantsika monina izao dia mikatsaka ny vola, izay manjary andriamaniny, ka laviny Ilay Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy azy.

Nampitandrina ny mpianany Jesosy : „Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany… Fa miharia harena ho anareo any an-danitra… Fa izay itoeran’ny harenanao, dia ho any koa ny fonao… Tsy misy olona mahay manompo tompo roa” (Matio 6:19-21, 24). Hataontsika inona harena, manoloana ny fahafatesana ? Mifanohitra amin’izany, ny mahafantatra hoe aiza no hisy antsika ho mandrakizay, sy ny manana fiainana mandrakizay, izany no tena harena tsy taka-bidy. Ambaran’ny Baiboly antsika ny fomba mahatalanjona hahazoana maimaimpoana io fiainana io, ary lazainy koa fa nahazo izany ho antsika Jesosy, tamin’ny nijaliany sy nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Omeny ho an’izay mino Azy izany : „Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13).