Alakamisy 17 Oktobra 2024

Ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala ; fa Andriamanitra, Izay mitana ny ainao sady Tompon’ny alehanao rehetra, dia tsy mba nankalazainao. Daniela 5:23

 

Fanajana fatratra

Mampisaintsaina antsika ny andinin-tSoratra Masina androany. Isika ve manaja Ilay Andriamanitra Mpahary antsika, araka izay mba tokony hataontsika ?… Izy Izay manome ny aina ho antsika sy mihazona izany.

Tsy hajaina fatratra toy ny sampy ve ankehitriny ny asa mampitolagaga vitan’ny olombelona eo amin’ny lafim-piainana rehetra (zavakanto, siansa, fanatanjahantena, teknôlôjia, fiainam-piarahamonina…), asa asandratra hatramin’ny faratampony ? Ny haino aman-jery dia mandifotra antsika amin’ireo zava-mahomby nataon’ny olona ireo. Vola tsy toko tsy forohana no atontona mba hampisongadinana azy ireo.

Inona no ataontsika an’Ilay tena Andriamanitra, Ilay Ray mandrakizay Tompon’ny aina sy manome izany ho an’ny zavaboariny tsirairay ? Nanadino Azy ve isika ? ka mandamina ny fiainantsika toy ny hoe tsy misy Izy. Tsy ho ara-drariny ve ny manome haja sy fankasitrahana Azy ? fa tsy hanaja fatratra ireny sampy poaka aty manenika antsika ireny sy manandevo ny saintsika.

Sokafy ny Baiboly : ao Andriamanitra dia mampiseho ny tenany ho Ilay Mpamonjy. Izy dia te hanafaka ireo olona gejain’ny „izaho”-ny, ny avonavony, ny fahadisoany, mbamin’ny… sampiny ! Ny Baiboly dia miresaka ihany koa tanora grika niala „… tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty” (1 Tesaloniana 1:9-10). Ireo tanora ireo dia tena niova fo tokoa, niverina ilalana tanteraka. Ny hoe mitodika amin’Andriamanitra dia midika hoe mino fa tia antsika Izy, ary Jesosy Zanany maty noho ny fahotantsika, nitsangana velona indray sy manome antsika ny fiainana mandrakizay. Dia foana ny sampintsika. Manjavona izy ireny, manoloana fitiavana toy izany, fitiavana manosika antsika hanompo sy hitsaoka Ilay hany Andriamanitra velona sy tena Izy.