Zoma 18 Oktobra 2024
Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana. Eksodosy 34:6
Andriamanitsika dia afo mandevona. Hebreo 12:29
„Andriamanitra tsara fanahy” hoe ? mandefitra amin’ny fahadisoan’ny „olona mahitsy”. Ndao hojerena akaiky kokoa hoe ahoana marina ny tena toetran’Andriamanitra.
Eny, Andriamanitra dia fitiavana ! Naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy Zanany Izy : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Nefa voasoratra ihany koa hoe : „Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy” (1 Jaona 1:5). „Masina, masina, masina Jehovah”, hoy ny ambaran’ireo anjely (Isaia 6:3). Noho izany Andriamanitra dia tsy manakimpy maso amin’ny ratsy.
Fahiny Andriamanitra dia nanome ny Lalàna mbamin’ny Didy folo, ho an’ny vahoaka Israely, tao an-tendrombohitra Sinay (Eksodosy 19 sy 20). Izany dia ireo fitakiana fototra tsy maintsy arahin’ny vahoaka mba hananany fifandraisana amin’Andriamanitra. Saingy niharihary fa tsy vitan’io vahoaka io ny nanatanteraka izay nandrasan’Andriamanitra taminy, ary isika ihany koa ankehitriny dia toy izany.
Tsy niova ny fahamasinany, fa toy ny tao Sinay ihany, fony niseho ho „afo mandevona” Izy. Mitaky ny fahamarinana io fahamasinany io, koa ahoana no hahafahan’Andriamanitra mamela heloka ? Ny valin’io fanontaniana io no lohahevitra lehibe resahin’ny Baiboly : Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga nisolo ny olombelona meloka, naka ny toerany. Ny fahatezeran’Ilay Andriamanitra masina, tamin’ny hamafiny manontolo, dia nianjera tamin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Ankehitriny Andriamanitra dia afaka manolotra, am-pahamarinana, ny famelan-keloka ho an’ny olona. Ireo rehetra mino an’i Jesosy dia marina eo anatrehan’Andriamanitra.