Asabotsy 19 Oktobra 2024

Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. Isaia 66:2

Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty, teo anoloan’ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ny tànany ankavanana, ka nanao hoe : Aza matahotra ; Izaho no Voalohany sy Farany. Apokalypsy 1:17

 

Andriamanitra, inona moa Izy amintsika ?

Nisy mpanao gazety nametraka tamina mpanakanto iray ny fanontaniana hoe :

— Manatona anao Andriamanitra. Inona no holazainao Azy ? Hoy ny navaliny :

— Tsy mifanentana mihitsy mihitsy ny mari-drefiny sy ny ahy, ka tsy misy teny azo lazaina.

Valinteny tsy mahazatra… Matetika ny olona no tsy mahatsapa ny hakeliny, ary manao tsinontsinona ny halehiben’Andriamanitra. Nahoana isika no tsy miaiky ny fiandrianany, araka ny maha Andriamanitra Mpahary Azy, ny fahendreny rehefa mampianatra antsika Izy, ny fitiavany lavorary fony Izy tonga tetỳ anivon’ny olombelona ? Misy mihambo ho mahafantatra an’Andriamanitra, ary tsy mihafahafa manetry Azy hitovy laharana amin’ny olombelona voariny.

Andriamanitra dia maneho ny tenany ao amin’ny Baiboly, ary mba te hampahita antsika ny fiandrianany, mba hitomboantsika amin’ny fahalalana Azy. Rehefa nampiseho ny fahamasinany Izy tao Sinay, „ny fijery ny voninahitr’i Jehovah teo an-tampon’ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona” (Eksodosy 24:17). Toy izany koa, ny mpaminany Ezekiela dia nahita ny endriky ny voninahitr’i Jehovah, ka nikarapoka nihohoka (Ezekiela 1:28). Isaia dia niantso mafy hoe : „Lozako ! maty aho !… fa ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko” (Isaia 6:5). Ny apostoly Jaona, izay niara-nandeha tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nahita ny voninahitr’Ilay hitsara izao tontolo izao : „Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty, teo anoloan’ny tongony”. Isika ve mba mandrefy ny maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra ? Ho takatsika fa isika dia tsy maintsy vita fihavanana aminy, Izay marina sy masina. Hitsara izao tontolo izao Jesosy, nefa ankehitriny dia manolotra maimaimpoana ny famelan-keloka ho an’izay mahatakatra, manoloana ny fiandrianany, fa mila ny fahasoavany.