Alahady 20 Oktobra 2024

Ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17

Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Matio 28:20

 

Ny finoana kristiana, lalana vaovao

Ao amin’ny Testamenta Vaovao (ny fizarana faharoa ao amin’ny Baiboly) dia hitantsika Jesosy Kristy tonga eto amin’izao tontolo izao. Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra nanjary olona, ary masina, tsy manana ota, dia tsy tonga hitondra antokom-pivavahana vaovao tsy akory, fa mba hanokatra ny lalana hananana fifandraisana velona sy malalaka amin’Andriamanitra. Nandritra ny 33 taona niainany tetỳ an-tany, Jesosy dia nampiseho ny fitiavan’Andriamanitra ny olona : nanasitrana ny marary Izy, nanangana olona maty ho velona indray… Ny fitondrantenany dia fiainana mahitsy sy masina, tsara halain-tahaka. Ny fifaliany manontolo dia ny manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ary mba hanomezany fiainana vaovao ho an’ny olona, sy hanokafany io lalana vaovao mankany amin’Andriamanitra io, „Kristy (dia) nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18).

Tamin’ny nanirahany an’i Jesosy ho etỳ an-tany, Andriamanitra dia nanao ny dingana voalohany hanatonana antsika. Iriny isika hiroso amina fifandraisana feno fatokiana aminy, tamin’ny namelany an’i Jesosy hiditra eo amin’ny fiainantsika. Izany no hany fomba hahafantarana sy hiainana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiadanany. Ireo izay tonga saina fa manasaraka azy ireo amin’Ilay Andriamanitra masina ny otany, ary mino ao anatiny lalina ao fa maty Jesosy hamonjy azy ireo, dia voavela heloka ary mahazo ny fiainana mandrakizay ananan’i Jesosy nitsangana velona indray. Dia miaina ny fanatrehan’Andriamanitra izy ireo, eo amin’ny fiainany andavanandro. Amin’ny alalan’ny Fanahiny Andriamanitra dia mampita amin’izy ireo ny fitiavany ary manavao azy ireo. Akaiky azy ireo Izy, manohana sy mampionona azy ireo. Tsy mora lalandava tsy akory ny fiainan’ny kristiana, nefa mazava hatrany ny lalany, manana tanjona azo antoka izy, dia ny tranon’ny Ray any an-danitra.