Alatsinainy 21 Oktobra 2024
… mba handringanany (handringanan’i Jesosy) amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly. Hebreo 2:14
Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Romana 16:20
„Devoly !” Io hiaka tononina tsy am-piheverana io anefa dia anarana mandoza, anaran’i Satana. Amin’ny tsy mino dia anganongano ihany ny devoly ; fa ny Baiboly kosa dia hentitra milaza ny fisiana sy asan’io zavaboary ara-panahy manohitra an’Andriamanitra io. Izy no ilay fahavalo nampiditra ny faharatsiana sy ny ota teto amin’izao tontolo izao, taorianan’ny nahariana ny olombelona (Genesisy 3). Satana dia antsoina ihany koa hoe „rain’ny lainga” (Jaona 8:44) sy hoe „andriamanitr’izao tontolo izao” (2 Korintiana 4:4).
Ahoana ny fomba fiasany ? Amin’ny fitaomany ny olona. Anjely izy, zavaboary lavo, ilay „mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra”, izany hoe manjaka sy mitondra ny fironan-kevitra eto amin’izao tontolo izao (Efesiana 2:2). Ny anarana hoe „andrianan’izao tontolo izao”, izay nolazain’ny Tompo Jesosy Izy tenany mihitsy (Jaona 14:30) dia mampahafantatra antsika ny fomba nanjakazakan’i Satana tamin’ny olombelona efa hatry ny ela, amin’ny alalan’ny ota : lainga, vono olona, fandikan-dalàna, ady, izany no manjaka eo amin’ny fiarahamonina. Andriamanitra dia nanome ny tany hotantanan’ny olona (Salamo 115:16). Ny toetra mamohehatry ny planetantsika sy ny olombelona dia manaporofo ny tsy fahombiazany, satria nihaino an’i Satana izy.
Fa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra kosa, dia tonga tetỳ an-tany mba handrava ny asan’ny devoly (1 Jaona 3:8). Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana sy ny nitsanganany velona indray Izy dia nandresy azy tanteraka (andinin-tSoratra Masina etsy ambony). Efa resy tokoa i Satana, saingy mbola avelan’Andriamanitra hiasa ihany, ao anatina fetra sasantsasany ary mandritra fotoana voafaritra. Ireo izay nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny dia tsy manana antony tokony hatahorana azy, na amin’inona na amin’inona, satria ao amin’Ilay Mpandresy, dia Jesosy Kristy.