Talata 22 Oktobra 2024
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Jaona 2
Nandeha teny an-dalana aho, ary voasarika nijery fehezanteny iray aranty eo amin’ny fitaratra tranombarotra fanaka iray hoe : „Ny tena aina dia miantomboka ao anaty”. Io teny filamatra dokambarotra io dia tsy isalasalana fa natao hisarihana ny saina amin’ny maha zava-dehibe ny fahatsapana ho finaritra ao an-tokantranon’ny tena na ny fahatsapana ho mahomby eo amin’ny fiarahamonina. Nefa nampieritreritra ahy io fehezanteny fohy sy mifintina io… Ao ambadiky ny zava-miseho etỳ ivelany, aiza ho aiza ny ao „anatiko”, ny fanahiko ?
Rehefa mifanena amina namana na mpifanolo-bodirindrina isika, dia matetika no mametraka ilay fanontaniana mahazatra hoe : Manao ahoana ianao ? Io anefa dia fanontaniana lalina mihoatra ny fahasalamana ara-batana. Izao no ho rentsika amin’izany : Manao ahoana ny ao anatinao ? Manao ahoana ny fanahinao ? Hakiviana ve sa fanantenana ? Alahelo sa fifaliana ? Lolompo sa famelan-keloka ? Tebiteby sa fiadanana ? Indraindray isika dia toy ny difotry ny asa sy ny adidy samihafa na ny fialamboly, ka tsy maka fotoana hieritreretana, hamelana ny Tompo Jesosy hikarakara ny fanahintsika.
Ny tena aina dia miantomboka ao anaty. Io tena aina io, ny ainan’ny fanahintsika, dia tsy mifintina amina fanaovana asa ara-pivavahana, na asa soa, na fivahiniana masina. Fa manomboka ao anaty fontsika izy io, rehefa apetratsika amin’i Jesosy, ary aminy irery ihany, ny fitokiantsika. Amin’izay io aim-baovao omeny antsika maimaimpoana io dia miseho etỳ ivelany, amina asa sy teny feno hamoram-panahy, rariny ary fahamarinana. Dia hiaraka amina famirapiratana etỳ ivelany, mahasoa ny manodidina antsika, ny fahasalaman’ny fanahintsika.