Alarobia 23 Oktobra 2024
Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29
Ny teninao no mamelona ahy. Salamo 119:50
„Niaina tao anatin’ny haratsiana aho, saingy nisy zavatra nitranga teo amin’ny fiainako, ka faly aho mijoro ho vavolombelona ny amin’izany. Isaky ny nanam-bola aho, dia nanararaotra nisotro toaka, ka mamo. Indray andro dia nilaza tamiko ny vadiko hoe mino an’i Jesosy nanomboka tamin’izay. Tezitra mafy aho ka nikasi-tanana azy sy nandrahona ny zanako hoe handao azy ireo raha miresaka an’i Jesosy izy ireo. Taoriana kelin’izay aho dia nandova zavajavatra madinika vitsivitsy nolovaiko tamina havana iray maty ; nangoniko tao anaty lamba iray ireo, mba hamidiko. Amiko ireo dia hahazoako vola indray sy himamoako. Saingy nisy jiolahim-boto nangalatra saika azy rehetra, ka vilany kely iray sy boky mainty iray sisa no navelany tamiko.
Io boky io dia Baiboly. Ny teny voalohany novakiko tao dia ilay tenin’i Jesosy hoe : „Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be” (Jaona 12:24). Afaka mahatakatra izany teny izany avokoa ny mpamboly rehetra ao amin’ny fireneko. Izaho koa. Jesosy dia niresaka ny hahafatesany. Dia fantatro tamin’izany fa anisan’ny vokatra ho azony aho. Dodona aho nankany amin’ny ankohonako, mba hangataka famelan-keloka amin’ny vadiko sy ireo zanako. Nitomany noho ny hafaliana izy ireo. Taitra mafy ny rafozandahiko nahita ny zava-drehetra nataon’i Jesosy Kristy tao amiko, ka nanomboka namaky ny Baiboly koa, ary niova fo mba ho an’i Jesosy Kristy. Amin’izao fotoana izao dia misy fiangonana feno mpino ao an-tananako. Ny raiko, izay jamba, dia nandray an’i Jesosy Kristy koa.”
Victor