Alakamisy 24 Oktobra 2024

Ny fahafatesana noresena ka levona. Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao ? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao ? Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana… Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 1 Korintiana 15:54-57

 

Tokony hohamaivanina

Reko tao amin’ny fampielezam-peo anikeheo maraina hoe : „Misy horonan-tsarimihetsika vaovao hivoaka anio : Vehivavy iray nahita ny vadiny maty an-drano telo taona lasa, niverina indray ; dia nitohy ny fiainana…” Nanazava ilay mpanolotra ny fandaharana hoe : „Ity horonan-tsarimihetsika ity dia manampy antsika hahatakatra fa tsy dia mampivarahontsana toa inona tsy akory ny fahafatesana”… Tsy dia mampivarahontsana toa inona, izany no mba tian’ny olona haharesy lahatra mafy azy.

Ireo lalao video ankehitriny dia mahatonga hanamaivana ny fahafatesana. Manana aina maromaro ny olona, mbetika mahazo, mbetika mamery, tsy olana izany… Nefa hentitra ny Baiboly : „Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Araka izany Andriamanitra dia tsy manome antsika mihitsy nofinofy mamitaka : lahitokana ny aina !

Ny Baiboly dia miresaka betsaka momba ny fahafatesana, izay antsoiny hoe „ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra” (Joba 18:14). Tsy hamaivaniny io lohahevitra lehibe io. Ambarany antsika fa i Satana, mpandainga sy mpamono olona (Jaona 8:44) no mihazona „ny herin’ny fahafatesana” (Hebreo 2:14).

Satana dia mamitaka ny olona, dontoiny izy ireo mba tsy hieritreritra io zavamisy mampivarahontsana io sy tsy hiomana ara-potoana ho amin’izany. Afeniny azy ireo ny marina, mba hitarihany azy ireo hanaraka azy, hiaraka aminy mandrakizay any amin’ny farihy afo (Apokalypsy 20:10). Mandainga aminao i Satana, ary tsy tia anao. Izy Andriamanitra kosa dia tia anao, ary tsy mandainga aminao. Milaza tranga iray tsy fahita ny Baiboly : Jesosy dia naharesy ny fahafatesana, ka nanaisotra tamin’i Satana ny fahefany. Koa ho an’ireo rehetra mino an’i Jesosy maty sy nitsangana velona indray, ny fahafatesana dia manjary fiampitana mankany aminy… Na mitoetra ho dingana manetriketrika aza ny fahafatesana, dia tsy mampitaintaina intsony, ho an’ny mpino.

Raiso ho anao, anio, io fahasoavan’Andriamanitra io.