Zoma 25 Oktobra 2024

(Hoy Jesosy :) Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro… Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2-3

 

Toerana iray any am-pasana hoe ?

Kristiana mpitsabo aho, nihaino ny iray amin’ireo vehivavy zokiolona marary tsaboiko :

— Mba te ho faty aho… Izany no ho vahaolana amin’izao tsy fahasalamako izao.

— Nefa fantatrao ve hoe ho aiza ianao aorianan’ny fahafatesanao ?

Tsy nisalasala izy namaly ahy hoe :

— Ie, any am-pasana, manana ny toerako eo anilan’ny ray aman-dreniko aho.

Hontsa ny foko… Indro olona iray toy ny maro hafa, izay tsy manana fanantenana ; koa afaka niresaka ny Tompo Jesosy taminy aho.

Maro aoka izany ny olona tsy manana afa-tsy fijery ao anatin’ny fotoana fohy izay ho fiafaran’ny fiainany. Amin’izy ireny dia mifarana eo amin’ny fandevenana azy ny zavatra rehetra. Dieny mbola velona aza izy ireny, dia efa mametrapetraka amin’ny antsipiriany izay hatao amin’izany, nefa dia tsy mihevitra ny hiomana ho amin’ny any ankoatra.

Tsy ny fahafatesana no faran’ny zavatra rehetra. Tsy voafetra hoe vatana fotsiny tsy akory ny maha olona antsika. Isika rehetra dia samy manana fanahy tsy hita maso, izay mbola velona any ankoatran’ny fiainantsika eto an-tany.

Izay mino an’i Jesosy maty teo amin’ny hazofijaliana noho ireo fahotany, ary nitsangana velona indray, dia manana toerana voaoman’ny Tompo ao an-tranon’ny Rainy (andinin-tSoratra Masina etsy ambony).

Na inona na inona vesatry ny fahanterana, dia azo antoka ny tanjona, ho an’ny kristiana. Andrandrao any ambony ny masontsika : „Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina” (Hebreo 11:1). Ndao koa hihevitra ny hafalian’ny Tompo Jesosy, handray antsika tsy ho ela eo anilany. „Tsy hisy fahafatesana intsony” (Apokalypsy 21:4), satria efa resiny teo amin’ny hazofijaliana izany.

„Isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (1 Korintiana 15:57).