Asabotsy 26 Oktobra 2024

Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modimandry (izay maty), mba tsy halahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. 1 Tesaloniana 4:13

 

Any ambadiky ny faravodilanitra

Nomen’Andriamanitra zanaka efatra ireto mpivady misionera kristiana tany Nouvelle-Guinée. Any Eoropa ny telo zokiny, ilay farany kosa nipetraka niaraka tamin’ireto ray aman-dreniny. Nalain’ny Tompo tampoka ho any aminy io zaza vao herintaona io. Alahelo toy inona moa ny an’ireto ray aman-dreny ! Mavesatra ny fon’ilay raim-pianakaviana, namboatra vatam-paty kely. Nandinika azy ny mpifanolo-bodirindrina iray, ary niteny taminy hoe :

— Tena malahelo be izao ianao.

— Eny, mazava ho azy.

— Ary azo antoka fa handao anay izao ianao, ary hiverina any aminareo.

— Tsia, hijanona miaraka aminareo eto aho.

— Ary ireo zanakao hafa ?

— Tsara antoka eo ampelatanan’Ilay Andriamanitro izy ireo.

Nihodinkodin-doha ilay rangahy, gaga dia gaga, ary niteny hoe :

— Ianareo kristiana, tena olona mahavariana mihitsy ianareo. Afaka mahita ny any ambadiky ny faravodilanitra.

Nampisaintsaina ilay misionera io fanamarihana io. Hatry ny ela izy no nikaroka ny handikana amin’ny fiteny eo an-toerana ny teny hoe fanantenana. Hatreto io teny io dia nadikany hoe fiandrasana. Ho an’io vahoaka io, ny fanantenana dia midika hoe mahita ny any ambadiky ny faravodilanitra. Izao fitsapana mahamay izao dia nahafahan’ilay misionera nanazava tsara kokoa ny atao hoe fanantenan’ny kristiana, fanantenana mampiavaka azy amin’ny olona hafa. Ny maso dia tsy ahafahana mahita any ambadiky ny faravodilanitra. Ny kristiana, amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesosy sy ny Tenin’Andriamanitra, dia afaka mahita ny any ambadiky ny sehatra hita maso. Mahafantatra an’Andriamanitra izy, mahafantatra ny drafi-pitiavany mba hamonjeny ny olona very, ary manana fanantenana mahatalanjona ao amin’i Jesosy, Izay any an-danitra, loharanon’ny fampiononana rehetra.