Alahady 27 Oktobra 2024

Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. 1 Korintiana 15:14

Jesosy Kristy Tompo… hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Filipiana 3:20-21

 

Zava-mahagaga

Hoy ity tanora iray namboraka taminay ireo zavatra manitikitika ny sainy : „Ny fitsanganan-ko velona… Toa tsy izaho mihitsy no hihira fiderana an’Andriamanitra mandritra ny ora maro. Ankoatra izany, raha tsy maintsy hahita indray ireo izay nampijaly ahy aho, na ireo izay nasiako ratsy… Ary koa, tsy dia takatro tsara hatramin’izay ireo hoe tenan’ny any an-danitra sy ireo tenan’ny etỳ an-tany… toa tsy takatry ny saintsika ireo teny ireo.”

Ry namana kristiana, isika ihany koa ve sahiran-tsaina momba izany zava-mampitolagaga izany ? Voafetra isika, ary tsy maintsy miaiky ny fidadasiky ny hery sy ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy azontsika an-tsaina ny fizotran’ny fitsanganana ho velona indray sy ny vokany, ny fitsimbadihan’ny lalanan’ny natiora…

Ny finoana irery ihany no mahatonga antsika hanana fahiratan-tsaina hahatakatra ny fihevitr’Andriamanitra voavelabelatra ao amin’ny Teniny. Ny Filazantsara dia manambara fa „efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy”, tsy ao am-pasana intsony Izy (Matio 28:7). Niseho tamin’ny mpianatra Izy, sy tamina vavolombelona miisa 500 (1 Korintiana 15:3-8). Jesosy nitsangana velona indray no nisantatra ny fandresen’ny fiainana ny fahafatesana. Ary io fandresena io dia hifampizarany amin’ireo izay mino Azy. Ireo rehetra nandray Azy ho Mpamonjy dia hiditra eo amin’ny fanatrehany, amin’ny fiverenany indray. „Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona… ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” (Apokalypsy 21:3-4). Ny tavany dia ho „fahavokisam-pifaliana”, ary hisy fahafinaretana mandrakizay eo anatrehany (Salamo 16:11).