Alatsinainy 28 Oktobra 2024

Efa mazava ao amin’ny Tompo kosa (ianareo) ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava. Efesiana 5:8

Izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia. 1 Jaona 4:1

 

„Halloween”

Ny niandohan’ny „halloween” dia fombafomba biritisy tranainy be. Isantaona, ny 31 oktobra, dia nitety trano ireo mpitondra fivavahana ana fikambanana miafina iray, nitaky fanatitra ho an’i Samain andriamanitr’izy ireo sady andrianan’ny fahafatesana. Izay mandà tsy hanome dia anaovany fandrahonana mampatahotra, hoe „na ny ozona na ny fanatitra”. Amin’ny alina izy ireo no manao izany, mitsilo lalana amina voatavo nosokirina hanana endrika lohan’olona maty sy ho poaka aty, ary nasiana labozia mirehitra ao anatiny. Ireo jiro kely mitsilopilopy ireo dia maneho ny fanahy mpanatanteraka ny fanozonan’ireto mpitarika ara-pivavahana.

Ny Baiboly dia mampitandrina mafy tsy hanaovana izany fombafomba izany, na dia ovana ho malefadefaka aza ; ary tokony hanambara ankarihary ireo fanao ireo ny kristiana.

— Jesosy dia Tompon’ny aina fa tsy tompon’ny fahafatesana. Hoy Izy : „Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

— Jesosy dia fahazavana fa tsy haizina. Hoy Izy : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

— Ny Baiboly dia manameloka izay rehetra mety hifamatotra amin’i Satana sy ireo fanahy ratsy : „Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava… mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa (tsy mamokatra zavatra tsara na inona na inona), fa aleo mananatra izany” (Efesiana 5:8, 10-11).

— Antsoina isika hiaina ao anatin’ny fitiavana ; tsy tokony handrahona mba hahazoana zavatra, na inona na inona : „Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo” (Efesiana 4:32).