Talata 29 Oktobra 2024

… Mba hanafahany (hanafahan’i Jesosy) izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. Hebreo 2:15

Aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo. 1 Petera 3:14

 

Manafaka Jesosy

Ny Fahariana dia nivoaka lavorary avy tamin’ny tanan’Ilay Mpahary azy (Genesisy 1:31). Nomeny andraikitra ny olona, hitantana ny tany. Nefa hatrany am-boalohany izy dia efa tsy nankatò Azy. Noho izany dia simba ny Fahariana manontolo. Ka korontana sy fahoriana no nanenika ny planeta. Iza no afaka handà izany ? „Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento” (Romana 8:22), satria nibirioka ara-toe-panahy aman-tsaina ny olombelona mpikomy.

Ny fandrosoana ara-teknika dia nitondra fanatsarana maro teo amin’ny toe-piainan’ny olombelona. Mbola betsaka anefa ny fahoriana, ary mbola mitoetra hatrany ny tebiteby manoloana ny fahafatesana. Ny Baiboly rahateo milaza amintsika hoe : „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Noho izany dia ezahina lavina ny fahafatesana, andramana hadinoina, na atao tsinontsinona mihitsy aza angamba. Izany ve no vahaolana ?

Tsy ny mihaino an’Andriamanitra ve no hany fomba hanafahana antsika amin’izany tahotra lozan-tany izany ? Lazainy mazava antsika ny antony mampisy ny fahafatesana : „Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Miaraka amin’izany koa, satria tia antsika Andriamanitra, dia manambara amintsika ny fomba hahitana ny fiadanam-po manoloana ny fahafatesana, sy hananana ny fiainana mandrakizay : Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, nitondra tamin’ny tenany ny fahotantsika. „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23). Ary manome toky Izy hoe : „Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13).