Alakamisy 31 Oktobra 2024
Aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo. Efesiana 5:17
Miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. Romana 12:2
„Rehefa nifarana ny fianarako, dia naniry handeha any ivelany aho. Nisy namana iray nilaza tamiko hoe any Koweit dia afaka mahazo vola be. Koa niomana fatratra aho ho amin’ny fifaninanana hatao. Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hampiany. Ny andron’ny fanadinana dia nahazo antoka aho fa afaka : niomana tsara aho, nivavaka, toa mora tamiko ireo fanontaniana. Falifaly aho, nody tany an-trano : asa mahafinaritra no misokatra eo anoloako !
Saingy olona hafa no nahazo ilay toerana. Tsy nisy dikany ve izany ny fiomanako rehetra ? ny vavaka rehetra nataoko… ? Tezitra aho, ketraka, ka nanalavitra ny finoana kristiana ; dia tsy nivavaka intsony. Tsy nilaina tamin’inona na inona akory izany. Fotoana fohy taorianan’izany aho dia nahita asa tao amin’ny tanàna misy anay… Kanjo indro fa nipoaka ny ady tany amin’ilay firenena niriko haleha. Vetivety foana dia voababo izy io, ary potika ny ampahany taminy… Tsy nahazoam-baovao ilay olona nahazo ilay asa…
Tsy namaly ny vavaka nataoko Andriamanitra, mba hahasoa ahy indrindra. Nihazona ahy ny tanany. Nalahelo aho noho ilay namako, ary menatra an’Andriamanitra ; dia niverina namaky ny Baiboliko aho. Nihiratra ny masoko : Izy Jesosy dia maty nisolo ahy teo amin’ny hazofijaliana, noho ny fitiavana ary an-tsitrapo. Eny, ankehitriny Jesosy Kristy dia Mpamonjiko sy Tompoko.”
Matetika Andriamanitra no mitondra antsika amina fomba hafa noho izay nosaintsainintsika. Raha miteny Izy hoe „tsia”, dia ndao hihaino tsara, fa hahasoa antsika izany. Jesosy dia nitaona ny mpianany hivavaka amin’ny Ray sy hiteny hoe : „Hatao anie ny sitraponao” (Matio 6:10). Izy mihitsy no niteny tamin’ny Rainy, tamina fotoana iray nampitaintaina, hoe : „Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Marka 14:36).