Zoma 1 Novambra 2024
Fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana. Jaona 5:28-29
Jesosy dia nampianatra fa hisy fitsanganana roa ho velona indray : fitsanganana ho fiainana, sy fitsanganana ho fahamelohana.
— Ny „fitsanganana ho fiainana” (jereo 1 Tesaloniana 4:13-18) dia mety hitranga amin’ny fotoana rehetra, ary mahakasika ireo izay nandray ny fiainana mandrakizay, tamin’ny alalan’ny finoana. Hitranga izy io amin’ny fiverenan’i Jesosy : amin’izay dia hitsangana ho velona indray ny mpino efa maty ; avy eo ny mpino rehetra mbola velona, izay nino an’i Kristy, dia „hovana” (1 Korintiana 15:51-52) ; ary hiara-mankeny amin’ny Tompo avokoa izy rehetra. Tsy ho hitan’izao tontolo izao io tranga io, ary amin’ny indray mipy maso monja.
Io fitsanganana io dia harahin’ilay „fahoriana lehibe” (Matio 24:21), izay vanimpotoana hampivarahontsana indrindra, eo amin’ny tantara manontolon’ny zanak’olombelona.
Avy eo ny Tompo dia hiverina amin-kery etỳ an-tany, ary „ny maso rehetra hahita Azy” (Apokalypsy 1:7). Hametraka ny fanjakany arivo taona eto an-tany Izy, amin’izay (Apokalypsy 20:2-7).
Rehefa hifarana io vanimpotoana io, dia hampirisika olona marobe i Satana hanohitra an’i Kristy, saingy „hatsipy any amin’ny farihy afo sy solifara” (Apokalypsy 20:10).
— Dia hisy ny „fitsanganana ho fahamelohana”, izay hahakasika ireo rehetra maty nefa tsy nanana ny aina avy amin’Andriamanitra. Haverina ho velona indray izy ireo, araka ny herin’Andriamanitra, mba hotsaraina eo anoloan’ilay „sezafiandrianana fotsy lehibe” (Apokalypsy 20:5, 11-15).
Raha maty aho, hitsangana velona indray ho amin’ny fiainana ve ? sa ho amin’ny fahamelohana ? Taomin’ny hamoram-panahin’Andriamanitra ny olona tsirairay hanao ny safidy tsara : „Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana… ; koa mifidiana ny fiainana” (Deoteronomia 30:19).