Asabotsy 2 Novambra 2024
Aoka isika hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana ; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra ; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana ; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika. Romana 5:3-5
„Rehefa nitondra vohoka ny zanakay faharoa aho, dia nahafantatra fa azona aretina tsy fahita firy izy. Mety ho faty vetivety foana izy. Mba hanovozako hery dia nijery „kisendrasendra” teny maro tao amin’ny Baiboliko aho. Imbetsaka aho no tojo ny epistily ho an’ny Romana, toko faha-5, andininy 1 hatramin’ny 11. Amiko izany dia pimason’Andriamanitra, mba hampahatsiarovany ahy fa tsy irery aho, miatrika fitsapana mampivarahontsana.
Io lahatsoratra io dia famonjy rendrika ho ahy, tao no nanovozako ny heriko. Namonto ny foko sy ny saiko ny teny hoe faharetana sy ny hoe fanantenana. Io lahatsoratra io dia nilaza dingana maromaro namboatra ahy tao anatin’izao fitsapana mampangirifiry izao. Nandritra ireo andro vitsivitsy niainan’ilay zanako lahy, dia vao mainka navesa-danja kokoa ireo teny ireo, zary marika tsy hay fafana, kofehy mena nampifandray ahy amin’Andriamanitra. Tsapako tao anatin’ireo teny ireo ny fitiavan-dalin’Andriamanitra ahy, ny vadiko, ny zanakay lahy. Tahaka ando malefaka manamandomando fangirifirina lalina izy ireo.
Rehefa avy nandevina ny zanakay izahay, dia toa fahamarinana nibaribary tamiko ny namakiako io lahatsoratra ao amin’ny epistily ho an’ny Romana io. Hafahafa fa ny foko dia fenon’ny fahatoniana avy amin’Andriamanitra, Izy Izay nahazo toerana tena miavaka tao am-poko, noho ireo andinin-tSoratra Masina ireo. Nanenika ahy ilay fehezanteny farany, hoe : „Ny fanantenana dia tsy mampahamenatra (tsy mandiso fanantenana), satria ny Fanahy Masina… no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika”. Na teo aza ny fangirifiriana noho ny namoizako ny zanako, dia nahazo antoka aho fa tsy misy na inona na inona afaka hahasaraka ahy amin’io fitiavana io.”
Séverine S.