Alahady 3 Novambra 2024

Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ny hazo (hazofijaliana) ka nandevina Azy tao am-pasana. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty. Asan’ny Apostoly 13:29-30

 

Teo amin’ny mpanankarena Jesosy rehefa maty

Ny andro nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, „Josefa avy any Arimatia (mpianatr’i Jesosy izy, nefa tamin’ny mangingina ihany, noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin’i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin’i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’i Jesosy… Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin’i Jesosy nony alina tamin’ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra. Dia noraisiny ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ny zava-manitra, araka ny fanaon’ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina. Ary nisy saha teo amin’ilay nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana ; ary teo anatin’ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona. Ary teo no nandevenany an’i Jesosy… satria teo akaiky ny fasana” (Jaona 19:38-42).

Nihataka tamin’ny vahoakany i Josefa avy any Arimatia, lehilahy mpanankarena, mpikambana manankaja ao amin’ny Synedriona (fitsarana ara-pivavahana an’ny Jiosy), sy i Nikodemosy, manampahaizana ambony, izay samy „mpianatra miafina” hatreto. Sahy i Josefa nangataka tamin’i Pilato, ary nahazo lalana hikarakara ny fatin’i Jesosy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nikodemosy dia nitondra zava-manitra voaharoharo tena lafo vidy, ary nampidinin’ireo mpianatra roa lahy ireo avy teo amin’ny hazofijaliana ny fatin’i Jesosy, nofonosiny lamba, nohosorany zava-manitra, ary napetrany tao amin’ilay fasana vaovao izay an’i Josefa, mandra-piandry ny hitsanganany am-boninahitra, ny alahady manaraka.

Andriamanitra dia efa nanomana mpianatra roa lahy mba homena ny vatan’ny Zanany ny haja nambara taonjato maro teo aloha : „Ary nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (nefa teo amin’ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany” (Isaia 53:9).