Alatsinainy 4 Novambra 2024
Raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena ; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ny fiangonana. 1 Korintiana 12:26-28
„Maharary ahy ny taniko”, hoy ny mpanoratra iray. Ny lazainy amin’izany dia ny fijaliana sy henatra iainany noho ny sori-dalana arahin’ireo mpitondra ny fireneny. Miray tena amin’ny fireneny izy, miray vatana aminy. Toy izany koa, raha mioritra ny lohaliko, dia hoy aho hoe : „Maharary ahy ny lohaliko”, fa tsy hoe : „marary ny lohaliko”. Tsotra ny antony, dia satria iray ihany izaho sy ny lohaliko. Tsy hay heverina ny hoe misy faritra marary eo amin’ny vatako, nefa tsy tsapako ny fanaintainan’io faritra io.
Toy izany koa ao amin’ny Fiangonana. Ambaran’ny Baiboly fa isika dia „tena iray ihany [vatana iray ihany]”, ary „samy miara-momba ny tena isika rehetra” (Romana 12:5). Noho izany dia tsy araka ny tokony ho izy raha toa aho tsy mahatsapa ny fahorian’ny rahalahiko hoe fahoriako. Koa tsy tokony hiteny aho hoe : „Marary ny rahalahiko na ny anabaviko”, fa kosa, amina fomba an-tsary, hoe : „Maharary ahy ny rahalahiko na ny anabaviko” !
Ny mpino izay mijaly dia mila fikarakarana. Nefa ilain’izy ireny koa ny mahatsapa fa miombom-po aminy ny ankohonan’Andriamanitra. Izany ny antony itaomana ny kristiana mba „haharary azy ireo ny rahalahiny” sy mba hampiseho aminy, avy amin’Andriamanitra, fikarakarana sy fampiononana fatratra. Tsy misy na iray aza, amin’ireo mijaly, tokony hiteny toy ny apostoly Paoly teo amin’ny fiafaran’ny fiainany hoe : „Tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra” (2 Timoty 4:16). Tena eo anilantsika tokoa Andriamanittra, mba hahafahantsika mijoro eo anilan’ireo mitondra fahoriana (2 Korintiana 1:3-4). Ndao àry hamela ny Fanahy Masina handrotsaka ny fitiavana ao am-pontsika (Romana 5:5) mba hiarahantsika mijaly amin’ireo mitondra fahoriana sy mba hahaizantsika mijoro eo anilany. Tsara lavitra izany, mihoatra noho ny teny maro !