Talata 5 Novambra 2024
(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28
Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Jaona 6:35
Jesosy ô, afaka manatona Anao aho
Jesosy ô, afaka manatona Anao aho, amin’izao maha izaho ahy izao.
Mankanesa atỳ amiko ! Ianao mihitsy no niteny izany !
Tsy miandry ny tsy hay hatao Ianao,
Tsy mangataka amiko hanova ny tenako, aloha :
Efa nataonao teo amin’ny hazofijaliana izany !
Mahita ny fisalasalako Ianao
Ary manatsotra ny tananao amiko,
Ka afaka manatona Anao aho, amin’izao maha izaho ahy izao.
Jesosy ô, afaka manolo-tena aminao aho, amin’izao maha izaho ahy izao.
Ny tianao dia hoe mba hahitsy fo aho.
Fantatrao efa hatry ny ela aho,
Tsy misy na inona na inona tokony hafeniko Anao.
Hitanao izay mihazona ahy, fantatrao izay mety hanintona ahy.
Ireo faritra maizina na mazava ato anatiko,
Eny, ny fiainako manontolo dia ankiniko aminao,
Afaka manolo-tena aminao aho, amin’izao maha izaho ahy izao.
Jesosy ô, tsy te hijanona amin’izao maha izaho ahy izao aho.
Afaho amin’izay manimba ahy aho,
Volavolay ho tahaka ny endrikao, ry Tompo ;
Ovay ny fiainako,
Amboary ho mpanomponao aho, fenoy ny fitiavanao.
Hatry ny ela Ianao no efa naniry izay tsara indrindra ho ahy,
Koa tsy te hijanona amin’izao maha izaho ahy izao aho.
Jesosy ô, te hanatona anao aho, amin’ny maha izaho ahy.
M. Siebald