Alarobia 6 Novambra 2024

Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao ; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe : Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ? Lioka 12:19-20

 

Trano roa

Nampamboatra trano iray mirenty ity lehilahy mpanankarena. Nividy tany tsara toerana izy, ary tsy nitsitsy na aina na vola, mba ho be velarana sy ary fomba ilay trano honenany rahatrizay. Niaraka tamin’io izy dia nampanamboatra trano iray faharoa, kely dia kely, izay tsy misy afa-tsy efitra tokana any ambanin’ny tany, tsy misy varavarankely, fa varavarana vy iray ihany, ary rindrina vita amin’ny vatovandana (marbra). Ireo trano roa ireo dia natao ho an’ny olona hitoetra ao ihany : ny iray ho an’ny velona, ary ny iray ho an’ny maty. Vetivety dia vita ilay fasana kely. Saingy mbola tsy vita akory ilay trano lehibe tsara endrika, dia efa nandry tao amin’ilay fonenana maizina sy mangatsiaka ho an’ny maty ilay mpanankarena tompony.

Araka izany, mandany hery sy fotoana betsaka ny olona handaminany ny fiainany, izay fohy ihany anefa, mandamina ny fiainany mba ho tsara, ho mora, ary hampivelatra araka izay azo atao… nefa dia tampohin’ny fahafatesana, mampiditra azy any amin’ny mandrakizay. Satria mantsy aorianan’ny fahafatesana, dia tsy tapitra eo tsy akory ny zavatra rehetra, na mino izany isika na tsia : tsy mba mety maty ny fanahintsika. Hoy ny Baiboly : „Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27). Ireo izay fahavelony nandray ny Tompo Jesosy ho Mpamonjiny, sy niaiky fa mpanota, dia tsy hiharan’ny fitsarana ary manana ny fiainana mandrakizay. Fa ireo izay nandà an’i Jesosy kosa dia hampamoahina ny amin’ny fahadisoany, ka tsy maintsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra, fahatezerana ara-drariny.

Ry mpamaky, eto an-tany no voafaritra ny hoavinao. Satria ianao avela hisafidy, dia raiso ny famonjena maimaimpoana atolotr’Andriamanitra anao anio. Mbola misokatra ny varavaran’ny lanitra, aza miandry ho tara loatra !