Alakamisy 7 Novambra 2024
Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Salamo 139:2
Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. 1 Tantara 28:9
„Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetrako, na mandeha aho, na mandry ; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô. Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Ianao, ary apetrakao amiko ny tànanao. Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, eny, avo loatra ka tsy tratrako” (Salamo 139:1-6).
Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra, mahafantatra izay rehetra mahakasika izao tontolo rehetra izao sy ny olombelona. Toy inona moa ny hagagako ! rehefa mahatakatra fa Izy irery no mahafantatra lalina ahy, mahita ny fiainako manontolo, dieny maraina ka hatramin’ny hariva. Tsy misy tsipiriany tsy fantany, na ny faran’izay tsy misy dikany aza : „Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa” (Matio 10:30). Fantany ny loharanon’ny eritreritro rehetra, mbamin’ny antony manosika ahy hanao zavatra. Raha misoka-bava aho, dia fantany izay holazaiko. Manome toky mihitsy aza Izy hoe : „Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho” (Isaia 65:24).
Izany fahafantaran’Andriamanitra ny zavatra rehetra izany dia mba tokony hampitony ahy. Afaka miantehitra amin’ny fiarovany aho, toy ny ankizy mihazona ny tanan’ny rainy.
Ahoana no hiainana ireo andinin-tSoratra Masina ireo ? Mizara aminy ny lafim-piainako rehetra : fifaliana, fahoriana, fahadisoana… Tsy afaka miafina aho. Koa ndao àry hihaino ny Tompo miteny amintsika. Ny tenin’ny Baiboly dia hanazava ny fiainantsika sy ny fihevitsika, ho takatsika io lafiny mahatalanjona ao amin’Andriamanitra io, lafiny hitarika antsika ho amin’ny fiderana.
(hitohy amin’ny alakamisy telo manaraka)