Zoma 8 Novambra 2024
Ahoana no nahatonga izao tamiko ? Jeremia 13:22
(Hoy Jehovah :) Fa avy amiko izao zavatra izao. 1 Mpanjaka 12:24
Nahoana ? Miverina matetika aoka izany eo imolotsika na ao an-tsaintsika io fanontaniana io… Nahoana moa aho no toy izao na toy izao ? Nahoana no nihatra tamiko iny loza iny ? Nahoana no tsy misy na inona na inona mandeha amin’ny laoniny eo amin’ny fiainako ? nefa toa misosa tsara ny an’ny hafa. Eny, hitantsika toa tena tsy rariny ny fiainana, indraindray…
Nefa dia ho afaka avadika ny fanontaniana, hanjary hoe : Nahoana no tsy izaho no niharan’io tranga ratsy io ? Nahoana aho no salama tsara ? Nahoana aho no manana ankohonana, nefa maro ny olona mijaly manirery ?
Ao amin’ny Baiboly dia lehilahy sy vehivavy maro no manontany tena momba ny antony nahatonga toejavatra tsy hay hazavaina eo amin’ny fiainany, na fahoriana toy izao na toy izao… indrindra moa raha tsy azon’izany ny hafa. Mihiaka i Asafa hoe : „Nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy… Tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy” (Salamo 73:3, 5). Soa ihany fa nitodika tamin’Andriamanitra izy, dia nitony. Joba, izay nidonam-pahoriana maro, dia nanonona „nahoana” maro. Izao no valinteny voarainy : „Nahoana no manome tsiny Azy (Andriamanitra) ianao, noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ?” (Joba 33:13). Eny, Andriamanitra no mitantana sy mifehy ny fiainantsika manontolo. Ataony am-pitiavana izany, ary amin’ny ara-drariny tanteraka. Izy, Izay nanao sorona an’i Jesosy Kristy Zanany, mba hamonjeny antsika, dia mitsinjo antsika tsirairay, mitsinjo ny toejavatra tsirairay eo amin’ny fiainantsika.
Ary maninona moa aho raha mihevitra ny zavatra rehetra manahirana ahy ho fotoana tandrify mba hahitako fa afaka manampy ahy Andriamanitra, afaka miditra an-tsehatra eo amin’ny fiainako ? tsy voatery ho araka izay mba hiriko, nefa amin’ny fomba mahasoa ahy indrindra.
Ary maninona moa aho raha mitoky aminy ?