Asabotsy 9 Novambra 2024
Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe : Diso zavatra iray loha ianao ; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao ; ary avia hanaraka Ahy. Marka 10:21
Ny evanjelista Marka dia miresaka lehilahy mpanankarena iray, liana tamin’i Jesosy ary feno fanajana Azy. Raha jerena etỳ ivelany, dia tsy misy na inona na inona mahory azy. Nefa tonga saina izy fa tsy misy, amin’izay nananany, afaka manalava iray segondra ny fiainany. Tsy maintsy handao ny zavatra rehetra izy, indray andro any. Ary satria mahafantatra ny tenin’ny Lalàna izy, dia tsy isalasalana fa mahafantatra ihany koa hoe tsy maintsy hampamoahina, indray andro any, momba ny fiainany teo anatrehan’Ilay Mpahary azy…
Jesosy dia liana tamin’io tovolahy io, izay nanatona Azy mba hahafantatra ny tokony hataony, hananany ny fiainana mandrakizay, izay henony noresahin’i Jesosy imbetsaka : ny hoe fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Ilay nirahin’ny Ray, dia Jesosy Kristy (Jaona 17:3). Ary ahoana moa no hahafantarana Azy tsara kokoa, raha tsy amin’ny fanarahana Azy ? Nahalala ny ao am-pon’io lehilahy io Jesosy, ka niteny taminy tahatahaka izao : „Porofoy fa miraiki-po kokoa amin’ny fahamarinana ianao, fa tsy amin’ny fanananao (zarao amin’ny mahantra ny fanananao), ary manaraha Ahy (mandehana toy ny ataoko ary ampiharo ny fampianarako)”.
Saingy amin’ny olona iray, rehefa ny volany no zava-tsarobidy indrindra, inona sisa no mba anjara toerana ho an’Andriamanitra ? Na dia „Mpampianatra tsara” aza Jesosy, dia tsy nahaliana io tovolahy io intsony, ka niala tamin’alahelo izy…
Angamba ianao tsy tanora sy manankarena, nefa mila mahafantatra ihany koa ny tena fiainana, dia ilay fiainana atolotr’Andriamanitra. Tokony hatoky an’Andriamanitra tsy misy takalony, na inona na inona. Ny foto-kevitra hoe „inty sy nday” dia tsy afaka hitondra an’iza na iza ho eo amin’Andriamanitra. Izy dia manome maimaimpoana ny fiainana mandrakizay, ho an’ireo izay mino fa maty Jesosy mba hanonitra ny fahotan’izy ireo.
Dia sambatra izay manaraka Azy.