Alahady 10 Novambra 2024

Fa izay rehetra nandray Azy (Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Jaona 1:12

Zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova ; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa. Romana 8:16-17

 

Iza ireo mpandova ?

Rehefa maty ny olona iray dia omena ny zanany sy ny mpandova voalaza ao amin’ny didim-pananana ny lova. Ny olona manankarena anefa dia afaka manolotra izany lova izany dieny fahavelony.

Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina voatanisa etsy ambony, ny mpanankarena manome ny fananany dia Andriamanitra, Izay tompon’ny zavatra rehetra, satria Izy mihitsy no nahary ireny. Azy ny zavatra rehetra eto an-tany sy any an-danitra. Nefa Ilay Andriamanitra velona, manana fananana tsy hita lany, dia maniry hizara izany ho mandrakizay ho an’ireo rehetra mpandova Azy.

Koa iza àry ireo mpandova ? Fahiny Andriamanitra dia nanendry ny vahoaka Israely ho mpandova (Romana 9:4). Taminy no nanaovany fanekena sy nanomezany ny tany Kanana, ho lovan’izy ireo. Nohamavoin’ny Israely io tany io (Salamo 106:24). Nivily niala tamin’ny fampianaran’ny mpaminany izy ireo, ary nandà ny Mesia. Noho izany dia nesorina taminy aloha ny zo maha mpandova azy ireo.

Andriamanitra anefa dia fitiavana. Tia manome Izy. Nanao fampanantenana vaovao Izy, ho an’ny zanak’olombelona manontolo, tamin’ity indray mitoraka ity. Ireo rehetra mino ny teniny dia omeny dieny ankehitriny ny fiadanam-po, fieritreretana voadio, fitahiana ara-panahy ; ary ho amin’ny ampitso, fiainan-tsambatra mandrakizay miaraka aminy, tsy zavatsoan’ny tany intsony tsy akory, fa harena any an-danitra.

Io lova io dia nilana ny fahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny fitsanganany ho velona indray. Dia omen’Andriamanitra ho an’ireo izay mino Azy ny zo maha zanaka, ary noho izany ny zo maha mpandova. „Endre ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra !” (1 Jaona 3:1).