Alatsinainy 11 Novambra 2024
Koa raha tsy mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ny tena harena ? Lioka 16:11
Izay mihary harena ho an’ny tenany ihany… tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra. Lioka 12:21
Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy dia miresaka momba ny „mamôna (harena) tsy marina”. Nahoana moa izy ireny no tsy marina ? Dia ho fananana azo tsy ara-drariny ve ? Tsia, fa ny atao hoe harena tsy marina dia ny fitambaran’ny fananana hita maso rehetra eo am-pelatanantsika. Tsy antsika anefa ireny harena ireny, fa „nampindramina” antsika fotsiny. Satria hoe nisasatra isika hahazoana azy ireny, noho ny fahasalamana nomen’Andriamanitra antsika, dia mihevitra mora loatra fa zontsika ny hanana azy ireny. Hadinointsika fa misy any olona sasany miasa mafy amin’ny heriny rehetra, nefa dia zara raha velona. Manoloana izany toejavatra tsy rariny izany, inona no tokony ho fihetsitsika momba ny fananana eo am-pelatanantsika ?
Raha avelan’Andriamanitra hahazo harena isika noho ny fahaizana omeny antsika, dia ndao hisaotra Azy amin’izay rehetra atolony antsika, fa tsy hitaraina, na hitsiriritra ny hafa, na koa hirehareha ny amin’izany. Ndao koa hianatra hitantana ireny fananana ireny, tsy ho tompom-pananana tia tena, fa ho mpitantana malala-tanana hampamoahina, indray andro any, amin’izay nankinina taminy.
Ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony dia miresaka ihany koa ny tena harena. Inona moa no atao hoe manankarena ? amin’Andriamanitra. Izany dia ny nandray tamin’ny alalan’ny finoana izay omen’Andriamanitra maimaimpoana. Harena sarobidy io, tsy hay refesina amin’ny volan’olombelona. „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Harena ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, Izay naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany, mba hitafy ny toetra maha olombelona antsika, sy hiaritra eo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza ireo fahotantsika, ary hanome fiainana mandrakizay ho an’izay mino.