Talata 12 Novambra 2024
Maro no hanao amiko… hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay ?… efa namoaka demonia… efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao… ? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe : Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay ; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. Matio 7:22-23
Jodasy dia iray tamin’ireo mpianatra roambinifolo niara-niaina telo taona tamin’i Jesosy, nahare ny fampianarany, nahita ireo fahagagana sy fanasitranana nataony. Nefa dia namadika an’i Jesosy tamina vola kely monja izy, alohan’ny namonoany tena.
Jodasy dia nino tamin’ny fomba ivelambelany ihany, ary maro ny olona toy izany (Jaona 2:23-25).
Nandritra ny telo taona izy dia nahita ny fanehoana an’Andriamanitra Ray ao amin’i Jesosy Kristy ; nefa dia tsy nihontsona tamin’izany ny fony. Olona maro ankehitriny no manambara fa raha maneho ny tenany amin’izy ireo Andriamanitra, dia hino Azy izy. Jodasy no porofon’ny hadalan’ny fanambarana toy izany. Rehefa tsy mino izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny ny olona iray, dia hitoetra ao anatin’ny haizina ara-panahy. „Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ny maty aza” (Lioka 16:31).
Ny teny nomena androany hoe : „Tompoko, Tompoko…” dia fanehoam-pinoana. Nefa ve mifanaraka amina tena finoana marina io teny io ? Mety harahina asa soa io fanambarana io, nefa hoy ny Tompo hoe : „Tsy mba fantatro akory ianareo… mpanao meloka”. Jodasy dia mpangalatra (Jaona 12:6).
Ny tantaran’i Jodasy dia lesona manetriketrika. Tsy mahavoavonjy ny fankanesana any am-piangonana, ny fanarahana fombafomba kristiana, na dia atao an-kitsimpo aza. Voalohany indrindra dia tsy maintsy mino an’Andriamanitra, manaiky izay lazainy, satria tia ahy Izy : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza”, ary tonga saina fa mpanota aho eo anatrehany. Amin’izay aho dia afaka mandray ny fahasoavany sy ny famelany heloka ao amin’i Jesosy Kristy. Dia hiova ny fiainako avy eo.
„Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8).