Alarobia 13 Novambra 2024
Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro, hamonjy ny ratsy fanahy… Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:6, 8
Tamin’ny volana avrily 1987 dia nisy mpilatsaka an’elonaina 24 nivory tany amin’ny faritr’i Arizona (Etazonia), mba hanatanteraka fitsambikinana malalaka. Dimy tamin’izy ireo dia avy nitsambikina tany amin’ny 3000 m ambonin’ny tany. Teny am-panidinana i Debbie Williams dia nidona mafy tamin’ny kitapo nobabena namany iray, ka nihodinkodina nidina, tsy nahatsiaro tena, nefa tsy nisokatra ny elonainy.
Gregory Robertson, ny mpanazatra ilay andiany, dia nihevaheva teo ambonin’ireo mpizatra. Nahatsikaritra poa toy izay ny loza izy, ka niantsambotra mba hanatratra an’i Debbie ara-potoana. Segondra vitsy monja no nananany, hanaovany izany. Natsotrany nipetaka tamin’ny vatany ny sandriny, nakombony ny feny, dia nitsoraka izy, ny lohany no nalefany aloha, ka nahatratra an’i Debbie tany amin’ny 1000 m ambonin’ny tany. Natsimbadiny izy ary nosokafany ny elonainy. Avy eo dia nosokafany koa ny elonainy, dia nilatsaka moramora nihazo ny tany izy mianadahy. Nipe-tany tamin’ny lamosiny i Debbie, mbola tsy nahatsiaro tena ary nisy taolany maromaro tapaka, nefa nanavotra azy tsy ho faty i Gregory.
Izany tantara tsy fahita firy izany dia maneho an-tsary ny tsy fahafahan’ny olona mamonjy tena ara-toe-panahy, amin’ny heriny samirery. Voagadra ao anatin’ny fanalavirany an’Andriamanitra izy, ka tsy manan-kery hanafaka ny tenany amin’izay hiafarany. Saingy nanohina ny fon’Andriamanitra ny fahoriany : noho izany Andriamanitra dia naniraka ny Zanany Lahitokana ho etỳ an-tany, mba hamonjy antsika tamin’ny alalan’ny nahafatesany. Jesosy dia maty, nefa koa nitsangana velona indray, ary velona mandrakizay. Samy afaka mandray ny vokatr’izany sorona lehibe izany avokoa ny olona rehetra, ary samy afaka manana ny fiainana mandrakizay. Omen’i Jesosy Kristy io fiainana io ny olona tsirairay matoky Azy.