Alakamisy 14 Novambra 2024
Na dia… hitoetra any am-paran’ny ranomasina (aza aho), dia mbola entin’ny tànanao ihany aho… sy hazonin’ny tànanao ankavanana. Salamo 139:9-10
Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako ? hoy Jehovah ; tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho ? Jeremia 23:24
„Aiza no hialako amin’ny Fanahinao ? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao ? Na dia miakatra any an-danitra aza aho, dia any Ianao ; ary na dia manao ny fiainan-tsy hita ho fandriako aza aho, indro, any Ianao. Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, mba hitoetra any am-paran’ny ranomasina, dia mbola entin’ny tànanao ihany aho, na dia any aza, sy hazonin’ny tànanao ankavanana. Ary na dia hoy izaho aza : Aoka ny maizina hanarona ahy, ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina — tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao ; fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, ka sahala ny mazava sy ny maizina” (Salamo 139:7-12).
Hatramin’i Adama, ny olona dia naniry hiaina tsy miankina amin’Andriamanitra. Niezaka handositra lavitry ny fanatrehan’Andriamanitra izy, satria nahafantatra fa tsy nifanaraka amin’Ilay Mpahary azy. Izany fihetsika mandositra an’Andriamanitra izany dia fihetsik’io mpino voalazan’ny Salamo io koa. Nihevitra izy fa ho afaka manidina mankany amin’ny faran’ny tany, mba hiery an’Andriamanitra. Nefa eo hatrany Andriamanitra !
Kasainy hatao fara vahaolana ny haizina. Amin’izany anefa izy dia mbola diso hevitra hatrany. Ny fijerin’Andriamanitra, toy ny tara-pahazavana, dia manazava ireo faritra maizina indrindra.
Ahoana no iainana ireo andinin-tSoratra Masina ireo ? Tsy ilaina ny mandositra ! Afaka mandany taona maro aho, hanafenako ny tena antony manosika ahy eo amin’ny fiainako : zava-poana, hambom-po, fitiavan-karena… Aleo mikatsaka ny fihaonana tena izy amin’Andriamanitra. Ndao hanaiky handray ny fahazavany sy ny fahasoavany, amin’ny alalan’ny vavaka feno fatokiana.