Zoma 15 Novambra 2024
Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telopolo taona. Raha nahita azy mandry Jesosy… dia hoy Izy taminy : Te ho sitrana va ianao ? Ilay marary namaly Azy hoe : Tompoko… tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy… Hoy Jesosy taminy : Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana. Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy. Jaona 5:5-9
Jereo io lehilahy malemy io ! Mandry eo anivona marary am-polony hafa izy, tsy manantena na inona na inona intsony. Tao anatin’ny 38 taona izy dia azo antoka fa nahita olona maro nandalo, olona tsotra, olona mpivavaka… Saingy tsy nisy teo na iray aza, tamin’ny fotoana nilany fanampiana. Ary ankehitriny, tsy manana fanantenana intsony izy, tsy mahita lalan-kivoahana intsony amin’ny toerana mampahory indrindra misy azy.
Nanontanian’i Jesosy izy raha te ho sitrana. Mba fanontaniana manaitra ! Fantatr’i Jesosy tsara fa te ho sitrana io lehilahy io. Nefa nilaina izany fanontaniana izany, hilazan’ilay malemy, amin’izay, ny famoizampony : „Tsy mba misy olona handroboka ahy”. Raha ambara amina teny hafa dia hoe : „Tsy misy liana ny amiko, nilaozan’ny olona aho, irery aho !”
Toy ny olona marobe, eny fa na mpino aza, dia sarotra amiko ny milaza mazava ny fahoriana manjo ahy : ny tahotro, ny fangidiako, ny hatezerako, ny fahatsapako ho tsy mahavita… Nefa ny milaza izany eo anatrehan’Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra rehetra, dia midika hoe miaiky ny alaheloko sy manokatra varavarana mankany amin’ny fanantenana. Izany dia midika hoe milaza aminy ny faniriako hiova. Izany dia midika hoe mamela an’i Jesosy hiditra ao anatiko lalina, mba hilazany mazava ny aretina mahazo ahy, sy hanalefahany izany amin’ny fiarahany miory, mba hanasitrana ahy amin’izany aretina izany. Mahatakatra ny manjo ahy Izy, ary mahafantatra ny vesatr’izany fahoriana izany. Ampahatsahivin’i Jesosy antsika ny tena maha isika antsika marina, dia zanaka, tena tian’Andriamanitra Raintsika.
Ianao izay mitondra entana mavesatra loatra amin’izao fotoana izao, ataovy izany dingana izany. Eo Jesosy ; miandry ny hilazanao aminy izay ilainao Izy, amin’ny fiteninao marina sy tsotra, matoky fa mihaino anao Izy. Tsy handiso fanantenana anao ny valinteniny, fa hampitony anao.