Asabotsy 16 Novambra 2024

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika ; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony. Galatiana 5:1

Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro, hamonjy ny ratsy fanahy. Romana 5:6

 

Natao ho eo ambany fiarovana ary nomena fahafahana

Tamin’ny taona 1961, tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika (URSS), dia nisy mpanakanto rosiana iray nanao fampisehoana tany Paris ary nahazo baiko hiverina any Moscou. Io fiverenana io dia midika ho fiafaran’ny maha mpanakanto iraisam-pirenena azy ; noho izany dia nanapa-kevitra hitodi-damosina ny fiainany teo aloha izy. Nanoro hevitra azy ny polisy misahana ny sisin-tany frantsay mba hametraka fangatahana amin’ny manampahefana frantsay hoe : „Te ho olona afaka aho ary mangataka fialokalofana ara-pôlitika.” Araka izany izy dia natao teo ambany fiarovan’ny fanjakana frantsay avy hatrany. Tsy nanana fahefana taminy intsony ireo „tompony” taloha.

Izany tantara izany dia mampahatsiahy antsika ireo rehetra voagejana fatotra samihafa : fiankinan-doha maro isan-karazany izay manindry azy.

Mety mahatsapa ny zioga mangeja azy ihany izy ireo, ary mba te hiova fiaina. Izany no dingana voalohany tsy maintsy atao : „mametraka fangatahana”. Ny dingana faharoa dia ny mitodika amin’Andriamanitra, Izay manana ny fahefana hanafaka antsika, satria isika dia andevon’izay arahintsika (Romana 6:16). Ny devoly dia manandevo antsika amin’ny alalan’ireo faniriantsika. Managadra antsika izy, ary mitarika antsika ho any amin’ny fahafatesana, izay tambin’ny ota.

Tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy mba hanafaka antsika „amin’ny fahefan’i Satana” sy hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, hanome antsika ny famelana ny fahotantsika, ny fiainana mandrakizay, ary anjara miaraka aminy ao anatin’ny fahafahana sy ny voninahitry ny zanak’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona aloa amin’izany : ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana no saran’ny fanavotana. Izay matoky Azy sy mino Azy dia misitraka izany eo no ho eo (Asan’ny Apostoly 26:18 ; Romana 6:23 ; 8:2 ; Jaona 1:12).