Alahady 17 Novambra 2024

Ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Lioka 10:21

 

Sarotra loatra hoe ny Baiboly ? (1)

Mihevitra angamba ianao fa ny Baiboly dia boky sarotra takarina. Nefa ve ianao mba efa nanomboka namaky azy ? Angamba ianao efa manana fitsarana an-tendrony entin’ny siosion-dresaka ? Dia raiki-tampisaka ao aminao ny hevitrao, manakana anao tsy hahazo ny zavatsoa rehetra afaka homen’io boky miavaka io.

Marina fa mety hahakivy ny hamaky boky misy pejy 1200. Ary ankoatra izany, raha mahafantatra fa io boky io dia maneho ny mpamaky azy ho olona mendrika hohelohina, mila famotsoran-keloka mba ho tafavoaka amin’izany… eny, tena tokony hanana risi-po mihitsy !

Nefa na misy aza ampahany sasantsasany ao amin’ny Baiboly sarotra takarina, dia marobe ny mora raisina. Mba vakio ireto fanambarana manaraka nalaina tao amin’ny Baiboly ireto, ary tombano raha mora takarina na tsia :

— „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Ny mpahay siansa dia manaiky fa nisy fiandohany izao tontolo rehetra misy antsika izao ; noho izany, ianao koa, sa ahoana ? Mety tsy ho takatrao angamba ny hoe ahoana no nampisy hatrizay hatrizay an’Andriamanitra ? Fa ahoana moa ny voary iray tsy maintsy voafetra no afaka hanantena hanazava ny amin’Andriamanitra ? Ho mora kokoa ve ny hahatakatra fa efa nisy hatrizay ny atôma, na koa ny aina ?

— „Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny” (Genesisy 1:27). Na dia tsy haintsika takarina feno aza ny tena halalina sy harena raketin’izany fanambarana izany, dia tokony hankasitrahina ny Baiboly, milaza ny antony ananan’ny olombelona fahamendrehana manokana mampiavaka azy amin’ny biby, sy ny antony maha zavaboary hany afaka manjaka amin’ny natiora azy.

(hitohy)