Alatsinainy 18 Novambra 2024

Ny tenin’i Jehovah dia teny madio. Salamo 12:6

Ny teninao no fahamarinana. Jaona 17:17

Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao, ka manome fahalalana ho an’ny kely saina. Salamo 119:130

 

Sarotra loatra hoe ny Baiboly ? (2)

— „Voaozona ny tany noho izay nataonao” (Genesisy 3:17) : teny hentitra nataon’Andriamanitra tamin’i Adama, taorianan’ny tsy nankatoavany tao an-tsaha Edena. „Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany… fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao” (and 19). Tsy mazava ve izany lazain’Andriamanitra izany ?

— „Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra,… Aza manambaka” (Marka 10:19). Afaka hotohizina ny fitanisana ny didin’Andriamanitra. Apetraka mahitsy ny fanontaniana hoe : dia tena sarotra raisina tokoa ve ireo didy ireo ? Raha mamaky azy ireo ve isika, dia afaka tsy hahatsapa hoe tena nanalavitra Ilay Mpahary azy ity tontolo misy antsika ity ? Farany, isika ve afaka hamaky fanambarana toy ireo ka tsy hahatsiaro ho voakasiky ny hafatra entin’ny Baiboly ?

— „Tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay rehetra”, „Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo” (Isaia 64:5 ; 59:2). Mampalahelo izany, mampamoy fo aza, nefa kosa… tena mazava ! Tsy afaka „hanonitra” ny ratsy ataontsika isika, amin’ny fanaovana asa soa. Ary tsy afaka ihany koa hanana „fifaneraserana” amin’Andriamanitra, na hahafantatra Azy, rehefa tsy mankatò Azy.

— „Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27) : Satrintsika raha mba diso io teny io. Saingy mazava sy hentitra izy, ary tsy maintsy ho tanteraka indray andro any, toy izay rehetra lazain’ny Baiboly ; tsy ny fandavana azy tsy akory no hanafoana ny maha zavamisy tsy hay ihodivirana azy.

Hitanao amin’izany, tsy sarotra tsy akory ny Baiboly, fa manelingelina fotsiny… Soa ihany fa tsy mijanona eo ny hafatra entiny.

(hitohy)