Talata 19 Novambra 2024
Filipo… dia nandre azy (ilay lehilahy Etiopiana) mamaky teny tao amin’Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe : Moa fantatrao va izay vakìnao ?… Ary Filipo… dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany nitory an’i Jesosy taminy. Asan’ny Apostoly 8:30-35
Fa hoy Jesosy taminy : Hainao hoe ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino… Mino aho ; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako. Marka 9:23-24
Mora takarina ny hevitry ny Baiboly momba ny olombelona, ary ny vahaolana atolony dia mazava tsara toy izany koa, sady azontsika tsirairay raisina :
— „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Izany no hany fomba ahazoana famelan-keloka, ary azon’ny olona rehetra raisina. Asehon’ny Baiboly antsika Jesosy hoe Ilay Zanak’Andriamanitra, marina tanteraka, maty nisolo toerana mpanota, dia isika izany. Toy ny milaza amintsika Izy hoe : „Ekeo ny hahavoasazy Ahy eo amin’ny toeranao, raha tsy izany dia ianao no ho voasazy”. Ianao, nahoana moa ianao no tsy hino izany vaovao mahafaly izany ? vaovao tena mora takarina.
— „Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika” (1 Jaona 3:2). Na tsy tsara fanahy avokoa aza ny ray rehetra, dia misy kosa Iray Izay tsara, lavorary, mahery, ary mandrakizay, ka afaka ho zanany isika, raha mino an’i Jesosy. Aza mamela toejavatra fanararaotra toy izany handalo fotsiny, dia ho hitantsika fa tsy mangina Andriamanitra sady tsy lavitra.
— Hoy Jesosy : „Ho avy indray (Aho) ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14:3). Raha misy olona tia anao sady tianao, ary manome toky anao fa hiverina mba hiaraka aminao mandrakizay, ianao ve hamaly azy hoe tsy takatrao izany, na tsy mahaliana anao ? Tsy hisy olona handà fampanantenana fahasambarana mahafinaritra toy izany.
Koa sarotra loatra àry ve ny Baiboly ? Mifanohitra amin’izany, izy io ve tsy mirakitra ny foto-javatra tokony ho fantatsika, natao ho takatr’ankizy koa, ary afaka manova na dia ny fiainana manampahaizana manokana aza ? Ahitana soa ny mamaky azy mba hahazo antoka ny amin’izany, sy ny mino azy mba hiaina izany.
(tapitra)