Alarobia 20 Novambra 2024

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy… ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12

 

Inona no tokony hataoko miaraka amin’i Jesosy ?

Nitantara ity kapiteny zokiolona iray hoe : „Tsy maintsy nijanona adiny roa tao amina efitrano fiandrasana iray aho, tao an-tseranantsambon’i Malmö, any Suède. Mba handaniako andro, dia namaky ireo gazety napetraka teo aho, saingy vetivety izany dia vitako. Nahamarika tampoka aho fa nisy Baiboly teo. Nisalasala aho aloha, nony avy eo dia noraisiko ilay izy. Ary rehefa nanokatra izany aho, dia nahare ilay lahiantitra teo akaikiko niteny moramora hoe :

— Io ry Tompo Jesosy, fa nisy nandray ny Teninao. Omeo azy ny fahazavanao, mba hahitany Anao ao.

Nony nahare izany aho, dia natsipiko teo ambony latabatra ilay Baiboly ary niolomay aho nivoaka ny efitrano. Inona no notadiavin-drangahy iny tamiko ? Inona no tiany nolazaina ? Nahatonga ahy tsy hahazo aina ilay vavaka milamina nataony. Talohan’izany Jesosy Kristy dia tsy hitako ho nisy dikany ho ahy. Nampahatonga saina ahy ny amin’izany ilay vavaka nataony, ka nanelingelina ahy izany. Nampanontany tena ahy. Nody tany an-trano aho, nefa tsy afaka nanala tao an-tsaiko an’i Jesosy.

Tao amin’ny tanàna nonenako aho dia nahafantatra kristiana iray. Farany dia nandeha nanatona azy aho, ary nanontany azy hoe :

— Inona no tokony hataoko miaraka amin’i Jesosy ? Inona no andrasany amiko ?

Nohazavain’ilay namako tamiko fa ny Zanak’Andriamanitra dia tonga tetỳ an-tany mba ho faty hamonjy ny olona, izay mpanota. Andrasany isika ankehitriny hitodika aminy, mba hiaiky aminy an-kitsimpo ireo fahadisoantsika. Dia afaka mitoky amin’ny asam-panavotana nataony isika, mba ho voavela heloka, ary afaka manaraka Azy am-pifaliana.

Ny fahasoavan’Andriamanitra dia nitarika ahy handray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiko sy hametraka aminy ny fiainako.”