Alakamisy 21 Novambra 2024

Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy. Salamo 139:14

Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra. Joba 37:14

 

Mahafantatra ahy Andriamanitra, Izy no Mpahary ahy (3)

„Fa Ianao no nahary ny voako ; namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Ianao. Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.

Ny tenako tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho ; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.

Endre, zavatsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô ! Akory ny hamaron’ny isany ! Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy ; raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany” (Salamo 139:13-18)

Andriamanitra Mpahary ahy no namorona ahy, ary mahafantatra ny zava-miafina momba ny maha izaho ahy. Mitsinjo ahy Izy nanomboka tamin’ny naha torontoronina ahy. Notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra i Davida, nanoritsoritra tamin’ny fomba mampitolagaga ny zavatra avelan’ny fitaovana teknika avo lenta ankehitriny ho hitantsika amin’ny ampahany.

Ny Tompo dia nanoratra ny androko rehetra, fony aho mbola tsy teraka akory ! Izy no Tompon’ny fiandohan’ny tantarako sy ny fiafarany. Miakatra any aminy ny fideràko, satria natao tamina fomba mampitolagaga sy mahatalanjona aho ! Miseho miharihary ao an-tsaiko ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy. Teo aloha aho dia nitady handositra ny fijeriny. Ankehitriny kosa dia sarobidy amiko ny fiheviny, ary raha vao mifoha aho dia mahita indray ny fanatrehan’ny Tompo, ny fanatrehany mahasoa.

Ahoana ny hiainana ireo andinin-tSoratra Masina ireo ? Amin’ny fitolagagako manoloana ireo asan’Andriamanitra, mihoatra lavitra dia lavitra ny fahatakarako !