Zoma 22 Novambra 2024
(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Ary ny mpikarama… raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra. Jaona 10:11-12
Matetika Jesosy dia mampitaha ny olona mino Azy amina ondry, izay Izy no Mpiandry azy.
Ambarany kosa fa mifanohitra amin’izany ny fihetsiky ny mpiambina andian’ondry, izay mandray karama noho ny asany, nefa tsy vonona hanao vy very ny ainy hikarakarany ny ondry, ary mandao azy ireo haingana rehefa misy loza !
Izy Jesosy no Mpiandry ondry, „Ilay Mpiandry Tsara” ! Manolotra ny ainy ho an’ny ondry Izy, satria Azy izy ireo. Tiany izy ireo, satria ny Rainy no nanome azy ireo ho Azy (Jaona 10:29). Jesosy, noho ny fitiavany ny Rainy, dia mikarakara fatratra ny ondry ankinina aminy. Fantany ary tiany ny tsirairay amin’izy ireo.
Taoriana kely Jesosy dia nampiseho izany amina fomba mampihetsi-po :
Tao amina saha iray Izy no tonga i Jodasy, ilay mpamadika, nitarika andia-miaramila maro mitam-piadiana. Nanatona Jesosy, ary nanontany hoe : „Iza moa no tadiavinareo ?” Namaly izy ireo hoe : „Jesosy avy any Nazareta”. Dia hoy Jesosy taminy : „Izaho no Izy”. Vao nahare izany teny izany ireo miaramila, dia nianòtra ary lavo tamin’ny tany, teo anoloan’ny fiandrianan’Ilay nanolo-tena an-tsitrapo. Naverin’i Jesosy ny fanontaniany, dia nanaiky hosamborina Izy, tsy nanohitra, ary nanatanteraka ny teniny hoe : „Ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry”. Notsinjoviny koa ny haha voaaro ireo ondriny, ka nanampy teny Izy hoe : „Raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto ; mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe : Tsy nasiako very izay nomenao Ahy,” (Jaona 18:1-9).
Hanolotra ny ainy eo amin’ny hazofijaliana Izy, mba ho afaka manome ny fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mino Azy (Jaona 10:28). Fahasambarana toy inona moa ny manana Mpiandry toy izany !