Asabotsy 23 Novambra 2024

Aza mety hofitahin’olona akory ianareo ; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana. 2 Tesaloniana 2:3

Ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany. 1 Timoty 4:1

 

„Apostasie”, na fialana amin’ny finoana kristiana

Ny teny hoe „apostasie” dia tsy anisan’ny fiteny mahazatra, ary inoana fa mpamaky maro no tsy mahafantatra ny dikany. Izao no famaritana azy ao amin’ny rakibolana : „Apostasie : fialana ampahibemaso amin’ny finoana kristiana”.

Ny fototra iorenan’ny fiarahamonina tandrefana dia avy amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Ezahina ankehitriny ny hanafoana izay rehetra mampahatsiahy, na akaiky na lavitra, ny fivavahana kristiana. Ny fitsipahana an’i Kristy anefa dia midika ho fitsipahana an’Andriamanitra !

Mba hanazavana io fivoarana io, dia lazaina fa tsy nahomby ny fivavahana kristiana, ary tsy nahatanteraka ny asa nanirahana azy. Misy hafa manambara fa ny fanatontoloana sy ny fifaneraseran’ny mponina samihafa dia tsy ahazoana intsony mampisongadina fivavahana iray eo anatrehana fivavahana hafa. Nefa ny fototr’io fihemorana io dia ny ota, izay ao anatin’ny fon’ny olona. Hiseho, amin’ny andro farany, ny fialana tanteraka amin’ny finoana kristiana : mazava ny lazain’ny Baiboly momba izany. Nefa ho an’ny tsirairay amintsika, ahoana amin’izao fotoana izao ny momba io fihemorana io ?

Ny fotoana lazain’ny andinin-tSoratra Masina tanisaina voalohany etsy ambony dia ilay fotoana hampamoahan’i Jesosy ireo olona nanilika Azy. Teny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly no efa tanteraka ; ny hafa dia mbola ho tanteraka ihany koa.

Toy ny efa eto sahady ny fialana amin’ny finoana, sy ny „andro aoriana” ihany koa (andininy tanisaina faharoa etsy ambony). „Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna” (2 Tesaloniana 2:7). Maika dia maika ny ifohazantsika, ny anamarinantsika raha tena manana fifandraisana marina tokoa amin’i Jesosy isika, amin’ny alalan’ny finoana. Miresaka aminy ve aho ? amin’ny alalan’ny vavaka. Mahazo toky ve aho ? rehefa mamaky ao amin’ny Baiboly hoe : „Ny ran’i Jesosy… no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra”, na hoe : „Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 1:7 ; 5:13).