Alahady 24 Novambra 2024
Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo rehetra mino) noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:24
Ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’ny olona dia maimaimpoana tanteraka. Na oviana na oviana isika tsy „hanonitra” izany. Ahoana koa moa no hahafahantsika manao izany ? Sarotra amintsika anefa ny manala tao an-tsaina ny fiheverana hoe tsy misy zavatra azo, raha tsy misy takalony. Io fisainana io, izay hamafisin’ny fitiavantena mamaritra ny maha isika antsika, dia tsy afaka ampiharina amin’ny fahasoavana, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra. Jesosy dia tonga hanome izay ilaintsika, ary tsy miandry takalony, satria tia antsika. Na izany na tsy izany, tsy misy afaka handoa amin’Andriamanitra ny saran’ny fanonerana ny fahotana nataony, ary hanavotra ny fanahiny ; tsy maintsy ialany mandrakizay ny eritreritra hanao izany (vakio Salamo 49:7-8). Eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy misy asa soa afaka manonitra, na dia fahadisoana iray monja aza. Nefa „ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). Jesosy no nisolo toerana antsika, niaritra ny famaizana antsika. Noho izany Andriamanitra dia mamela ny fahadisoantsika, mamindra fo amintsika, ary mandray antsika ho zanany.
Alaivo sary an-tsaina anie hoe mitsidika namana nanasa ahy aho. Rehefa vita ny sakafo, dia mitohy eo am-pisotroana kafe ny resaka. Avy eo, rehefa handeha aho dia mangarona paosy sady manontany hoe : „Ohatrinona moa izany no tokony haloako aminao ?” Fanafintohinana toy inona anie izany e ! ho an’ireo olona nanasa ahy.
Tsia, tsy misy na inona na inona tokony haloantsika amin’Andriamanitra, ho setrin’izay rehetra omeny. Ny fahasoavany dia fahasoavana madiodio, tsy misy fangarony. Tonga tetỳ an-tany Kristy mba hamaly ireo fitakian’Andriamanitra momba ny ota. Ny hany ataontsika dia ny mandray io fahasoavana io, mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana maimaimpoana. Nefa aza hadinontsika ny misaotra Azy Andriamanitra manome antsika io fahasoavana io, na ny mampiseho aminy, amin’ny fanompoana Azy, fa tia Azy koa isika, ho setrin’ny fitiavany.