Alatsinainy 25 Novambra 2024
Aza mamono olona. Eksodosy 20:13
Hoy Jesosy :… Aza mamono olona… Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Matio 19:18-19
Desmond Doss, zanakalahy-na miaramila amerikana tamin’ny Ady lehibe Voalohany, dia naniry, toy ny mpiray tanindrazana maro aminy, hanompo ny fireneny, izay tafiditra tao amin’ny Ady lehibe Faharoa. Tamin’ny ady tany amin’ny faritra Pasifika tamin’ny 1945 dia nitady hanolo-tena hanao raharaha miaramila manaja ny ain’olombelona izy, ka tsy hamono olona na hitondra fitaovam-piadiana. Aminy, ny herisetra dia tsy mifanaraka amin’ny finoany an’Andriamanitra sy ny foto-keviny ara-toe-panahy. Taoriana-na fifampiraharahana sarotra tamin’ny Tafika, dia niditra ho mpitsabo mpanampy tao amin’ny miaramila an-tongotra izy. Tao, ny fandavany tsy hilefitra amin’izay naharesy lahatra azy dia nahatonga azy ho nampijalian’ireo namany sy ny lehibeny.
Nony farany dia nalefa tany an’ady izy, ary nandray anjara tamin’ny ady tany Okinawa, teo amin’ilay hantsambato tsy hay anihina ao Maeda, fantatra amin’ny anarana mampivarahontsana hoe „Hantsambaton’ny fitotoan-kena”. Ary ny finoany irery ihany sy ny fitiavany ny namany no namonjeny ain’olona am-polony, izy irery, teo ambany tifitra vary raraka ataon’ny fahavalo, nisintonany tsirairay ny miaramila naratra, mba hametrahany azy ireo amina toerana azo antoka sy hitsaboany azy ireo.
Ny tantaran’i Desmond Doss dia natao lohahevitra sarimihetsika iray mahaliana. Hita ao ity mpianatr’i Jesosy feno fatokiana, fandavantena, herimpo notovoziny mandrakariva tao amin’ny vavaka tsy miova hoe : „Omeo hery aho, ry Tompo, mbola hamonjeko miaramila iray hafa”.
Io tantara io dia mampisongadina finoana lalina, nefa koa mampahatsiahy ny hery tsitohan’Andriamanitra, Izay mahay manao zavatra lehibe amin’ny alalan’ireo izay mitoky aminy.