Talata 26 Novambra 2024

Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe : Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany. Lioka 18:11

Fa ilay mpamory hetra kosa… tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe : Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Lioka 18:13

 

Ilay Fariseo sy ireo mpamory hetra roa lahy

Ny filazantsara nosoratan’i Lioka (18:9-17 ; 19:1-10) dia mampiseho lehilahy telo niteny tamin’Andriamanitra.

Fariseo iray, mpivavaka be, mpikambana ao amin’ilay antokom-pivavahana jiosy sarotiny indrindra. Miarahaba tena anakampo ho tsara noho ny hafa izy. Mihambo noho ny fanarahany ny fombafomba ara-pivavahana izy, ary mieritreritra ny tenany betsaka kokoa noho ny fieritreretany an’Andriamanitra.

Mihevitra izy fa mendrika hankasitrahin’Andriamanitra.

Mpamory hetra iray, mamory hetra ho an’ny mpanjana-tany romana. Ataon’ilay Fariseo tsinontsinona izy, ary tsy miteny „mitokana”, fa miteny amin’Andriamanitra. Mahatsapa ny fahamasinan’Andriamanitra izy, ary menatra noho ny otany, ka tsy sahy miandrandra akory ; ary manao vavaka fohy, mila ho hiaka mihitsy, mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra.

Manaitra fatratra ny fahasamihafana, ary mazava tsara ny tombana nataon’i Jesosy : „Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina (nambara hoe marina, ka voavela heloka) noho ny anankiray”.

Mpamory hetra iray hafa i Zakaiosy, maniry hahita an’i Jesosy, ka manao izay azony atao ho amin’izany. Hitan’i Jesosy izy ka raisiny, ary mihoatra noho izany aza, manasa tena Jesosy, miantrano any aminy. Mitsangana am-panajana eo anatrehan’ny Tompo i Zakaiosy, mibebaka, ary miteny aminy hoe : „Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny malahelo ; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany”. Eto koa dia toe-panahy sy toe-po mifanohitra amin’ny an’ilay Fariseo no hita. Tsy nanatanteraka adidy ara-pivavahana mba ho marina izy, fa naniry hanome voninahitra an’Andriamanitra. Tsy nidera azy Jesosy na nanome tsiny azy, fa nitondra ho azy ny famonjena izay nilainy, izy koa. „Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena”.

Mihaino vavaka Andriamanitra. Izaho ve miresaka aminy mba hampidera ny fahamendrehako, sa mba hilaza aminy fa mila ny fahasoavany ?