Alarobia 27 Novambra 2024

Tsinjovy ny voromanidina… ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Matio 6:26

Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa ? nefa tsy misy, na dia iray akory aza amin’ireny, ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Matio 10:29

 

Fatokiana ny Raintsika any an-danitra

Ririnina ny andro. Rakotra orampanala ny voary manontolo. Dinihinay ireo voronkely tonga mihinana eo amin’ilay fitoeran-kanina kely napetrakay eo an-davarangana. Dia tsaroako ilay andinin-tSoratra Masina hoe : „Ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy”. Eo an-tanany ny aina rehetra eto an-tany. „Ireo rehetra ireo miandry Anao, mba homenao ny haniny amin’ny fotoanany”, hoy ny mpanoratra ny Salamo 104 (and 27). Ny Tompo Jesosy anefa, ao amin’ny fampianarany, dia te hitarika antsika hisaina tsara ny fomba ikarakaran’Andriamanitra antsika olombelona, izay „mihoatra noho ny tsintsina maro” (Matio 10:31). Fantatry ny Tompo fa mahatonga antsika hanalavitra an’Andriamanitra ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana ; taominy isika hatoky ny Ray, Izay any an-danitra, eo amin’izay rehetra ilaintsika, ary hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha, voalohany indrindra (Matio 6:33).

Nefa indro aho mahita, eo anoloan’ny varavarana fidirana, iray tamin’ireo voronkely ireo, mitsitra eo amin’ny tany, tsy misy aina… Dia tsaroako ny andinin-tSoratra Masina faharoa etsy ambony. Mbola io Ray io ihany, tamin’ity indray mitoraka ity, no namela ho faty ilay zavaboariny marefo. Nihena ve izany ny hatsarany, tsy toy ny tamin’Izy nanome sakafo ilay vorona ?

Tsia ! Tsara avokoa ny anaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Raintsika any an-danitra Izy, amin’ny alalan’i Jesosy. Ndao hatoky Azy tanteraka, amin’izay rehetra mahakasika ny fiainantsika ankehitriny sy ny fiainantsika ho avy !

Hoy i Solomona mpanjaka : „Fa ny marina, matoky na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza” (Ohabolana 14:32). Ary Jesosy dia manambara hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).