Alakamisy 28 Novambra 2024

Ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho. Salamo 139:24

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa. Jeremia 17:9-10

 

Andriamanitra mitondra ahy ho amin’ny lalana mandrakizay (4)

„Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Dia izay manonona Anao hoenti-mamitaka, Jehovah ô, eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.

Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao ?

Halako dia halako marina tokoa ireny ; efa fahavaloko ireny.

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro ; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho” (Salamo 139:19-24)

Mba tian’i Davida hihatra amin’ireo fahavalony tsy mino sy mahery setra ny fitsaran’Andriamanitra. Misy fangatahana toy izany, ateraky ny hatezerana manoloana ny ratsy, hiverina indray ao amin’ny vavak’ireo maritiora amina vanimpotoana any aoriana (Apokalypsy 6:10). Ankehitriny dia angatahin’i Jesosy ny kristiana mba hitia ny fahavalony sy hivavaka ho an’ireo manao ratsy azy (Matio 5:44). Ny kristiana dia tsy maniry ny hahafatesan’ny mpanota, fa kosa ny hiovany fo ho an’i Kristy, mba hahazoany ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay.

Eo amin’ny fiandohan’ny salamo dia matahotra i Davida, mahatakatra fa mandinika ny ao anatiny lalina Jehovah. Ankehitriny dia iriny Jehovah handinika azy, izany hoe hizaha ireo eritreriny, asany, teniny, nefa fony koa (izay loharano ipoiran’ny zava-drehetra), mba hiarovan’Andriamanitra azy amin’izay rehetra mety ho fahadisoana.

Ahoana no hiainana ireo andinin-tSoratra Masina ireo ? Afaka miteny amin’ny Tompo aho hoe : „Raha izaho samirery dia tsy afaka miaro tena amin’ny ratsy. Tsy haiko ny manavaka izay mety hitarika ahy hanao ratsy. Hazavao anie aho. Ampianaro aho ho tia Anao sy hanao izay mahafaly Anao !”

(tapitra)