Zoma 29 Novambra 2024
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay (tenin’i Jesosy). Jaona 6:47
— Omena anao ny fiainana mandrakizay. Hanaiky ve ianao ?
— Aleoko maty ! hoy ity vehivavy filôzôfa iray.
— Tsia, ny harefon’ny fiainana no ho saran’izany, hoy ny navalin’olona iray hafa.
— Eny, saingy tsy misy aretina na fahoriana, hoy ny olona iray fahatelo.
Angamba ianao mihevitra ny fiainana mandrakizay ho fahavelomana tsy misy fiafarany eto an-tany ? Mpikaroka maro no miezaka hahita vahaolana-fahagagana hampitombo ny halavan’ny fahaveloman’ny olombelona.
Andriamanitra kosa dia manolotra antsika zavatra hafa tanteraka : fiainana misy fifandraisana aminy, dieny ankehitriny ary ho mandrakizay. Ny olona dia noarìna mba hiaina sambatra ao amin’ny paradisa an-tany. Nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra izy, saingy indrisy fa nihinana ny voankazo voarara, ka tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana, noho io tsy fankatoavana io. Koa noroahin’Andriamanitra hiala tao an-tsaha Edena izy, „andrao haninjitra ny tànany izy, ka hakany koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy” (Genesisy 3:22).
Nefa Andriamanitra dia efa nanomana drafitra famonjena tao amin’i Jesosy Kristy. Hoy Jesosy tamin’ny Rainy : „Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Mba hahafantarantsika an’Andriamanitra, dia tsy maintsy avela ny heloka vokatry ny tsy fankatoavantsika : raha mino isika fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy hamonjy antsika, dia mahazo famelan-keloka noho ny fahasoavana isika, ary mahazo aina vaovao koa. „Izay mino (Ahy) no manana fiainana mandrakizay”. Manana izany ny mpino : izany dia ny fiainany etỳ an-tany sahady, mifandray amin’ny Ray. Hivelatra tanteraka io fiainany io ao an-tranon’ny Ray, miaraka amin’i Jesosy.