Asabotsy 30 Novambra 2024
Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika. Genesisy 11:4
Dia tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra ; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. Genesisy 11:8
Ny tantaran’ny tilikambon’i Babela dia maneho an-tsary ny avonavon’ny olombelona sy ny sitrapony handamina ny fiainany tsy hisy an’Andriamanitra. Niezaka mandrakariva hisandratra izy ireo, sy hanjary toa an’Andriamanitra. Tamin’izany no namitahan’i Satana an’i Adama sy Eva. „Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo (na tahaka ireo andriamanitra)”, hoy izy tamin’izy ireo (Genesisy 3:5).
Mifanohitra amin’izany kosa, Jesosy, Izay Andriamanitra, dia nanaiky hietry ary hanjary olona. Nikatsaka hatrany ny tombontsoan’ny Rainy Izy, fa tsy ny an’ny tenany.
Ireo mponin’i Babela dia nanana tanjona niraisany : hitambatra mba hahatakatra ny lanitra amin’ny alalana tilikambo vita amin’ny biriky. Ho afaka nanambatra ny heriny izy ireo mba hanompo an’Andriamanitra na hitsaoka Azy, nefa dia naleony nampiasa ny fiteny niraisany, hihiaka hoe : „Andeha isika… hanao izay hahazoantsika laza” !
Mandraka ankehitriny isika dia mbola miteny sy mieritreritra hoe : „Ny firaisan-kina no hery”. Manao fifanekena ara-pôlitika, ara-barotra, ary indraindray ara-pivavahana isika. Lazain’ny Baiboly antsika fa any aoriana any ny olona dia hivory manodidina olona iray izay hanohitra an’Andriamanitra, „manao ny tenany ho Andriamanitra” (2 Tesaloniana 2:4).
Nanomboka tamin’ny taona 2020, ny valanaretina „coronavirus” dia nampahatsiahy an’izao tontolo izao ny maha marefo ny rafitra ara-barotra, ara-pôlitika sy ara-piarahamonina misy antsika, ary ny maha tsy azo ianteherana ny fiainantsika eto an-tany aza. Izany ve tsy mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra dia ambonin’ny zavatra rehetra ? Ny fifanekena sy ny fandaminana ataon’ny olona dia miafara amin’ny fahalevonana. Fa ireo rehetra mino an’i Jesosy Kristy kosa, ka noho izany, anisan’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe anisan’ny Fiangonan’i Kristy, dia mahafantatra fa ho tafavory manodidina Azy mandrakizay. Io no hany tena firaisana maharitra. — Ianao ve anisan’io ankohonana io ?