Alahady 1 Desambra 2024

… Kristy Jesosy no fehizoro indrindra ; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. Efesiana 2:20-21

(Hoy Jesosy :) Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako. Matio 16:18

 

Ny Fiangonana

Amin’ny fiteny mahazatra, io teny io dia sady manondro trano lehibe no milaza ihany koa fivondronana kristiana. Ny teny grika hoe „ekklésia”, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia adika hoe „eglizy”, na „fiangonana”. Io teny grika io dia manana heviny malalaka kokoa noho izay ekena amin’ny ankapobeny. Fony nampiasa voalohany io teny io ny Tompo Jesosy, ao amin’ny Matio 16, dia nanondro ny fitambaran’ny olona izay hatoky Azy mba ho voavonjy.

Ny Fiangonana manerana izao tontolo izao dia manambatra ireo olona rehetra ireo, nanomboka tamin’ny Andro Pentekosta (Asan’ny Apostoly 2) ka mandra-pahatonga ny fampiakarana ny mpino rehefa miverina ny Tompo, fiverenana andrasantsika (1 Tesaloniana 4:16-17).

Iza no nanorina io Fiangonana io ? Jesosy tenany mihitsy. „Haoriko ny fiangonako”, hoy Izy.

Iza no mandrafitra azy ? Ny mpino kristiana rehetra, izay „vato velona” mifamatotra amin’Ilay Vato fanorenana. Ary „tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy” (1 Korintiana 3:11).

Inona no anjara asan’ireo izay mandrafitra ny Fiangonana ? Mitsaoka an’Andriamanitra sy mijoro ho vavolombelony. „Atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona, ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 2:5). „Fa ianareo kosa dia… olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Petera 2:9).

Jesosy irery ihany no mahafantatra ireo rehetra Azy, ary haka azy ireo tsy ho ela ho any an-danitra. Koa farany ny Fiangonana manontolo dia ho tafavory mandrakizay manodidina Ilay Lohany, dia Jesosy Kristy.